Rodoben’ny mpanohitra RMDM – Miray hina fa latsaka anaty lavaka ny firenena

Helisoa

Noho ny fahatongavan’ny taona vaovao dia niarahaba sy nirary soa ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra eto ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM), ny mpikambana sy ny antoko politika ary ny fikambanana ao anatin’ny RMDM omaly, tao amin’ny trano fonenan’ny filoha Marc Ravalomanana teny Faravohitra. Tonga tao avokoa ireo filoha lefitry ny RMDM isaky ny faritany, nitondra ny teny fiarahabàna sy firariantsoa ho an’ny filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana. Raha atambatra ny teny nataon’izy ireo dia nirary soa ny filoha Marc Ravalomanana hahavita be, satria mafy ny asa miandry amin’ity taona 2023 ity.

Amin’ny maha vaovao ny taona dia nisy ny fanomezana solom-bodiakoho sy fahatsiarovana ho an’ny filoha Marc Ravalomanana mianakavy. Nandritra ny fihaonana dia nitondra ny teny fisaorana ho an’ireo mpikambana tsy ankanavaka ny filoha Marc Ravalomanana. Fitiavana ny tanindrazana hoy izy no mampiray antsika, koa mangataka antsika hiray hina hatrany na samy manana ny fotokevitra ijoroany azy.

Manjaka loatra eto amin’ny firenena ankehitriny ny fahantrana mihoa-pampana, ny rentirenty sy mahafinaritra ny maso no mibahana ankehitriny. Tsy misy fijerena ny sosialim-bahoaka. Raha tiana anefa ny hampandroso an’i Madagasikara dia fampandrosoana miainga avy any amin’ny faritra no ilaina. Izany anefa dia mitaky ny firaisankina sy fiaraha-miasa eo amin’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, ho famonjena sy ho fanavotana ny firenena.

Efa nanambara ny fahavononanay ihany koa izahay ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana, izay hitakianay ny hanamboarana ny rafitra mikarakara izany. Vonona izahay, fa ataovy madio ny lalao. Araka izany, tsy ekenay ny hanemorana ny Fifidianana ka hametraka Tetezamita vaovao indray … “, hoy hatrany ny Filoha Ravalomanana.