Morondava faritra Menabe – Mitokona ny mpampianatra ao amin’ny CEG Centre

Rajepa

Voalaza fa lanin’ingahy talen-tsekoly ny volan’ny FEFFI sy volan’ny FRAM, ka tsy manaiky ireo mpampianatra raha tsy soloina ity talen-tsekoly ao amin’ny CEG Centre eto Morondava faritra Menabe ity; satria dia mahatsiaro sahirana ireo mpampianatra tsy misy ividianana ny kojakoja entin’izy ireo mampianatra, eny fa na ny tsaoka aza efa tsy misy, ny karaman’ireo mpampianatra Fram koa tsy voaloa.

Efa tamin’ny fiandohan’ny volana desambra 2022 no nitaraina ireto mpampianatry ny CEG ireto, saingy nilaza Andriamatoa Chef Cisco, fa aleo aloha tohizana ny fampianarana, fa ny fidirana aorian’ny Noely dia hahazo talen-tsekoly vaovao nareo, ka hovahan-tsika miaraka ny olana. Tonga ny alatsinainy 09 Janoary 2023 fidirana hanohizana ny fampianarana, gaga ny rehetra fa tsy mbola nisy fanendrena nivoaka, fa ilay tale taloha izay nametra-pialana nosoloin’ilay ninam-bola indray no napetraka teo, nefa noho izy natsapa fa tsy zakan’ny fari-pahaizany io toerana io, no nahatonga azy nametra-pialana nefa dia izao averina izao indray ary tadiavin’ny tompon’andraikitra alamindamina fotsiny ity fihinanan’ny talen-tsekoly ny volan’ny sekoly ity, satria raha ny fantatra dia samy mpitarika ny antokon’ny fitondrana na ny talen’ny CEG izay mitarika ny GMMAR na ny talem-paritra, izay sady mpandrindram-paritry ny TGV Menabe.

Araky ny fifampiresahana, izay nataon’ny talen-tsekoly sy ireo mpampianatra dia tsy ingahy tale irery no nihinana io vola io, fa misy tompon’andraikitra niara-nihinana taminy. Raha nanatona ny tompon’andraikitra moa izahay dia samy tsy eto an-toerana na ny Chef Cisco na ny DREN, izany hoe tsy misy eto Morondava avokoa. Nilaza ireo mpampianatra, fa tsy hijanona ny fitokonana raha tsy mahazo tale vaovao izy ireo ary mivoaka koa ny marina momba ny volan’ny FEFFI sy FRAM nohanin’ny tale sy ny ekipany.

Tsara ho marihina fa maro ireo talen-tsekoly izay mihinana ny volan’ny sekoly sy manodinkodina ny fitaovan’ny sekoly tamin’iny taompianarana lasa iny, saingy toa tsy misy fandraisana andraikitra na fanasaziana, fa dia toa misy miaro hatrany, ka vitan’ny famindrana toerana fotsiny hatrany. Koa miantso ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ireo mpanabe sy ray aman-drenin’ny mpianatra, satria toa simbaina atao kiantranoantrano ny fanabeazana ato Menabe, sady atao fitaovana politika.

Araky ny fanadihadiana natao dia fantatra fa maro ireo talen-tsekoly izay vao notendrena no tsy miakatra birao, indrindra fa ny eny amin’ny EPP, ka sahirana ireo mpampianatra sy ray aman-dreny. Raha mikasika ny olan’ny CEG Centre Morondava dia manaraka akaiky io olana io ry zareo avy ao amin’ny firaisamonimpirenena, amin’ny alalan’ny tetik’asa SCORE, misehatra eo amin’ny fanabeazana fototra; manaramaso sy manome tantsoroka, mba hisian’ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra amin’ny fitantanana ny sekoly, indrindra fa ny FEFFI ary ao anatin’ireo sekoly hiasan’ny tetik’asa koa ny CEG CENTRE ity, ka ho hita eo ny ho tohiny ary hiezaka ny hanome tantsoroka ireo mpikambana FEFFI izahay hoy ny Point focal ny tetik’asa Score ao Menabe, sy ny tompon’andraikitry ny tetik’asa ao Morondava, izay tazana nandalo teny an-toerana tamin’ny fotoana nandalovanay teny. Niverina maina fotsiny moa ireo mpianatra izay efa vonona hanohy ny fianarana taorian’ny fialan-tsasatry ny Noely, tao ireo nalahelo satria efa nikasa hiatrika ny fampianarana, nefa dia izao tsy afaka mianatra izao nohon’ny olan’ny tompon’andraikitra; tao kosa ireo faly fa mitohy ny fialan-tsasatra. Hita sy tsapa fa dia marary ny fampianarana eto Morondava amin’izao fotoana.