Ela niandrasana – Faly sy ravo Antsiranana nandray ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Nitsidika ny tany Antsiranana faritra Diana ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM ny faran’ny herinandro teo. Fotoana nanaovan’ny antoko TIM any Antsiranana kongresim-paritra, nanentanany ihany koa mahakasika ny fanomanana fifidianana ho tanterahana eto amintsika amin’ity taona ity.

Nanentana hatrany mahakasika ny fidirana ao anaty lisi-pifidianana i Dada, satria tsy maintsy hisy ny fifidianana hatao eto amintsika hoy izy. Ela niandrasana ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Antsiranana, ka faly sy ravo ny andaniny sy ny ankilany nandritra ny fihaonana. Feno hipoka ny Hotel de la Poste nanaovana izany kongresim-paritra izany, faly sy ravo koa ireo mponin’i Diego sendra ny filoha Ravalomanana, nandritra ny fitsidihana ny tao Bazary toy ny fanaony. Nosoritany fa: ” lazaina aho fa tsy tia côtier, nampianatra aho, nanamboatra lalana , sns… inona no tadiavina mihoatra noho izay? Tsy mpanavakavaka izany aho, izaho tia anareo, ianareo koa tia ahy. Kongresim-paritra ny Tim Diego: mankasitraka anareo tonga marobe! Tena hita fa sahirana ny vahoaka aty amin’ny faritra Diana. Simba tanteraka ny lalana ary hitoka-monina raha izao no mitohy. Mila manana fanantenana anefa isika ary tsy mahazo kivy. Vonona aho ny hanarina indray ity faritra ity ary mila ny firaisankinantsika rehetra, mba ho tombontsoan’ny firenena,” hoy hatrany izy.

Ankoatra izany, nihaona tamin’ireo mpitarika fivavahana kristiana sy silamo koa ny Filoha Marc Ravalomanana tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Arrachart any Diego. Feno dia feno ny fandaharam-potoanany tany an-toerana: ny alahady, niara-niombom-bavaka tamin’ny mpino kristiana tao amin’ny FJKM Tanambao any amin’ny renivohitry ny faritra Diana koa izy ary nitodi-doha avy hatrany taty an-drenivohitra avy eo, niatrika indray omaly, ny fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra tamin’ny RMDM teny Faravohitra.