Fitondrana Rajoelina – Tsy mahita lalan-kivoahana sy amoahana ny firenena

Sôh’son

Niteraka resabe tamin’iny herinandro lasa iny, ny zava-nitranga teo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), dia ny fialàn’ny Governora am-perin’asa teo aloha, sy ny nasolo azy tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra teo. Maro no nilaza, fa misy tsy milamina eo anivon’izany Banky lehibe izany, izay mitàna anjara toerana lehibe amin’ny toekarem-pirenena, sy ny fiainan’ny firenena manontolo.

Ho an’ny mahalala, mpanara-baovao na mpandalina ny raharaham-pirenena dia tsy mandehandeha ho azy izany fametraham-pialàna izany, fa misy « raha » ao ambadika ao. Nampitamberina ny sain’ny maro tamin’ny nitranga tamin’ny fotoanan’ny tetezamita ihany koa ny toe-java-nisy, izay mbola tao amin’io Banky Foibe io ihany, fa iaraha-mahalala, misy hatrany ny mahay manafina sy manamboamboatra ny tantara, ka zavatra efa voalamina no ampahafantarina ny vahoaka Malagasy.

Efa hatrany amin’ny tetezamita no nataon’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy ho tompon-trano mihono amin’ny raharaham-pirenena ny vahoaka malagasy. Tantely afa-drakotra ny volam-pirenena ao anivon’izany Banky Foibe izany anaovan’izy ireo azy. Tsy misy ny mangaraharaha sy ny filazana ny marina amin’ny vahoaka. Vao mainka izany miha-mahazo vahana hatrany tato anatin’izao fitondràny izao, sy indrindra izao taona farany na volana maromaro itondràny izao.

Raha miainga avy amin’ny fanazavana maro samihafa ataon’ireo mpahay toekarena na mpamakafaka ara-politika, ny zava-misy ankehitriny, dia banky rompitra ny fanjakana, ary tsy manam-bola intsony. Voaresaka mihitsy ny amin’ny hoe « en cessation de paiement » ny fanjakana. Maneho endrika izany, ireny tranga fitokonana samihafa fitakiana karama samihafa ireny, izay tsy voaloan’ny fanjakana ary misy efa amam-bolana maro mihitsy.

Araka izany, dia tsy maintsy mitady vola izao fitondrana izao. Fitondrana izay nihambo tany aloha ho manam-bola hanatanterahana ireo drafitr’asam-pampandrosoana nofaritany. Niaraha-nahita tsara anefa fa tsy tafavoaka mihitsy ny fitondrana Rajoelina, fa nihitsoka izay nokinasany rehetra amin’izany, ary karazan’ny tampin-dalan-kaleha izy amin’izao fotoana izao. Mazava loatra, tsy maintsy hikaro-dalana hivoahana amin’izao manjo azy izao ny fitondrana, ary isarangotana izay azony isarangotana na handrovi-tsihy aza, hoy ny maro. Hifandraika amin’izay ve ny zavatra hitranga amin’ity taona ity? Ny vahoaka aloha heverina fa efa zatra zava-baovao tsy fahita tamin’izay fitondrana nifanesy teto izay, indraindray aza mamohehitra (scandale) hatrany ny zava-misy ao anivon’izao fitondrana Rajoelina izao, ary heverina fa mbola hitohy izany.