EDITO 10 Janoary – Marary ny Ariary

Isambilo

Marary amin’izao fotoana ny vola Malagasy dia ny Ariary izany, mitontongana izay tsy izy izany vola Malagasy izany manolona ireo vola vahiny fampiasa eo amin’ny tsenam-bola iraisam-pirenena dia ny vola tokana eôrôpena euro sy ny dolara amerikana.

Efa mananika ny 4800 Ar ankehitriny ny euro iray, raha mananika 4500 Ar ihany koa ny dolara amerikana iray. Ny anton’izany dia be ny vola vahiny mivoaka noho ny miditra eto amintsika, anisan’ny anton’izany, ny fanafarana entana be loatra avy any ivelany ataon’ny fitondram-panjakana. Midika koa fa tsy mifandanja ny mizanam-pifanakalozana ara-barotra eto amintsika: miha-be lavitra ny fanafarana entana avy any ivelany, noho ny fanondranana mankany ivelany. Isehoan’izay olana eo amin’ny volantsika izay koa ankehitriny ny tsy fahampian’ireo vola madinika ny sandany, na ny vola vy izany, na ny vola taratasy ihany koa: rehefa ny vola vaventy no atondraka eo amin’ny tsenam-bola, fa ny vola madinika ao anatiny: ny Ar 100, ny 200 Ar, ny 500 Ar, ary ny 1000 Ar kosa tsy amoahana vaovao dia miakatra ho azy koa ny vidim-piainana, noho ny fanerena ankolaka ny fihodinana sy fiparitahan’ny vola amin’ny sehatra vitsy ihany. Ohatra, tamin’ny faramparan’ny taona teo dia tsy nahitana ary mbola tsy ahitana ireo vola madinika vaovao voalaza ireo.

Fa ny tsy fantatry ny tompon’andraikitra dia ho faty ireo sehatra madinika sy toerana lavitra ny renivohitra, sady mananosarotra ny fifanakalozana amin’ny ankapobeny amin’ny fitadiavana madinika. Ny fiakaran’ny vidin-javatra, sy ny vidim-piainana tao ho ao koa dia taratry ny fahararian’ny vola Malagasy izay, amin’ny voalaza fa nanaovan’ny fitondrana vola tsy misy antoka, na planche à billet, izay mampidangana haingana ny vidin-javatra, sy ny vidim-piainana ihany koa. Toa manaporofo izany ny fametraham-pialan’ny Governoran’ny Banky Foibe teo aloha Henri Rabarijohn, tsy nanaiky io politikan’ny fanaovana vola tsy misy antoka io, sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volan-panjakana, alefa amin’ny tsy tokony ho nalehany.

Ny re koa dia efa saika nametra-pialana ny ministry ny fitantanam-bola fa tsy nekena, ho hita eo ny ho tohin’izay amin’ny fanovana, na ny fanamboarana ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ho avy, izay voaresaka be ny herinandro lasa teo, ary andrasana amin’ity herinandro ity, na amin’ny herinandro ho avy io. Ireo ministra sasany moa dia efa nanatsidika izay, matoa nanaiky ho tendrena ho ministra, dia tsy maintsy hanaiky koa ny hialana amin’izany toerana izany, hoy izy ireo. Dia ho hita eo.