TENA TSY MILAMINA ETO

(Sary Tia Tanindrazana)

Vao mitsidika ny taona dia tsy ao ny fitoniana.
Indreo manomboka sahady irony hetsi-pitakiana.
Toy ny efa manambara dieny aty am-piandohana,
Fa ho ratsy ny tantara, hiakatra ny maripana!

Ny hatezerana no indro fโ€™efa toa miakatrakatra,
Vokatry ny vidim-piainana tena mila tsy ho takatra.
Vary no efa hovidiana sivinjato ny kapoaka,
Efa tafahoatra loatra ka tsy zakanโ€™ny vahoaka!

Etsy, mihetsika sahady fa naongana ny namany.
Atsy, misy mitaraina ho tsy nahazo ny karamany.
Etsy, misy miaka-midina fa anaovana antsojay.
Atsy, misy akama arovana, ary dia โ€œmiseho milayโ€!

Ny fitondrana, efa lo kanefa mbola miady an-trano.
Mahavita miedinedina, mbola mitantara angano.
Ireo izay kely mba najorony, indreo mirodana am-pitoerana,
Fโ€™izany ilay manara-penitry ny tsy ampy fiheverana!

โ€ฆVao mitsidika ny taona dia efa ratsy ny tantara.
Ho aiza re โ€™ty firenena, ho aiza ianao ry Gasikara?
Mainka izany rehefa akaiky ny fotoana hifidianana.
(Miharihary ny havendranana aminโ€™ny ara-pitantanana!)

DADANโ€™i RIANA (05-01-23)