Ambahikily, lemaka Bas-Mangoky – Velom-bolo ireo tantsaha, miverina namboly rehefa tsy namokatra 5 taona

Aly

Velom-bolo ireo tantsaha mpamboly any amin’ny kaominina Ambahikily distrikan’i Morombe faritra Atsimo Andrefana, any amin’ny lemaka Bas-Mangoky amin’izao fotoana, satria afaka miverina mamokatra izy ireo, rehefa tsy afaka nanao izany tao anatin’ny 5 taona izao. Tsara ihany koa ankehitriny ny rotsak’orana any an-toerana, ka faly ireo tantsaha. Tsy afaka namboly izy ireo tato anatin’ny 5 taona izao, satria nohajariana izany lemaka izany, nohatsaraina ny fampidiran-drano, fiaraha-miasa tamin’ny BAD, na ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana. Vita ny fanajariana tamin’ny taon-dasa, ka dia izao miverina namokatra izao ireo tantsaha. Sahirana anefa izy ireo noho izay 5 taona tsy niasana izay, ka na ny masomboly aza tsy misy. Noho izay antony izay, nanampy ireo tantsaha mpamboly vary sy katsaka any Ambahikily amin’ny lemaka Bas Mangoky, ny mpandraharaha ara-toekarena sady zanaky ny faritra Raharison Durlin. Nanome masomboly katsaka sy vary milanja 1 taonina avy izy.