EDITO 7 Janoary – Tsy miteny ny vola Ariary – Tratry ny faran’ny toaka! tratry ny krizy mafy! tratry ny taolana e!

Beharo

Tato ho ato dia re teny rehetra teny ny fifampiarahaban’ireo sahirana, ka tao ireo nilaza fa tratry ny krizy mafy e! tratry ny faran’ny toaka e! tratry ny taolana e! sns… izay samy hita fa angolan-teny maneho tsy fananana avokoa nefa mba te-hankalaza ny Asaramanitra amin’ny fo sy fanahy feno hafaliana tokoa.

Tsy vitsy tamin’ireo olona sendra anay no nilaza fa azo lazaina ho tsy miteny ny vola Malagasy, raha oharina amin’ny vidin-javatra, sy raha oharina amin’ireo vola vahiny, ka manahirana ny hividy na hanolotra fanomezana ho an’ireo Ray Aman-dreny, sy zanaka, izay tokony notolorana solom-bodiakoho sy kilalao sahaza azy avy, niaraka amin’ireo adidy amam-panao samihafa noho ilay vola tsy misy lanjany. Tokantrano vitsivitsy no manambara fa raha vola 6 hetsy Ar ohatra, ny volan’ ny mpivady isam-bolana ialan’ny hofan-trano sy ny jiro sy rano, ny sakafo, ny saram-pianaran’ny zanaka 2, ary koa ireo PPN samihafa, dia zara raha misy 2 alina Ariary sisa ambiny, nefa mbola eo ny saran-dalana sy ireo adidim-piaraha-monina isan-karazany raha atao indray mijery.

Mitentina manodidina ny 132 euros eo ho eo ny 6 hetsy Ar, ka hita sy tsapa fa tsy miteny mihitsy ny vola ariary raha oharina amin ‘ny vola vahiny, ka mazava izao, fa ireo olona avy any ivelany hatrany, mpitady ravinahitra, no mahazo aina eto amintsika miampy ireo dahalo ambony latabatra, fa dia very anjara tanteraka ny sahirana. Mihemotra hatrany isika raha izao ny zava-misy, mitombo ny tsy an’asa, ny karama vary masaka efa tsy rariny, fa izay mahafalifaly an-dRajoelina ihany no laharam-pahamehana sy manara-penitra raha ny zava-misy iainana no jerena, nefa efa mandrora mitsilany tanteraka tokoa izao ireo voarebireby ka nifidy azy tamin’izany fotoana.