FIRARIANA TAOM-BAOVAO

Samy mba miandrandra fatratra fiainan-tsoa sy vaovao
Ny Malagasy tahaka ahy, ny Malagasy toa anao,
Fa tena mafy sy mangidy sady novesaran-tsaona,
Ireo rehetra nozakaina tao anatin’ny efa-taona.

Lasa ny andro sy ny volana, toa tsy nisy ny nangirana.
Ny vahoaka no tsaroana ho mihamahantra sy sahirana!
Saingy ny olom-bitsivitsy, mbola sahy mihoaka ihany,
Sady indreo mampanantena “ny tsy misy” hatrany hatrany!

Irony volana eny ambony no tadiaviny halaina.
Irony kintana alinkisa no tetehiny hozaraina.
Nefa ny eo ambany masony sy mameno ny tanànany:
Fako, loto sy olo-noana. Ireo no haingom-pitantanany!

Koa manasa antsika hivavaka sy hibanjina ny lanitra!
Raha mangina tsy miteny toy ny moana Andriamanitra,
Tsy dia hoe mitazam-potsiny ka tsy hita ny famaliny,
Fa mitsapa ny finoana ananantsika sy ny halaliny!

…Mila antsika hiverina aminy sy hitady indray ny tavany,
Andriamanitra mahery fa tsy miova ny fitiavany.
Aza kivy, mahereza, tsy mba foiny ianao fa zanany.
Ho aminao hatrany anie, ho aminao ny fiadanany!

SEDERA RAVALISON (31-12-2022)