Asaramanitry ny Vehivavy TIM sy Dada mivady – Ampy izay ny famotehana firenena, ho avy ny farany

Isambilo

Rakotra vehivavy ny teny Faravohitra omaly. Niarahaba tratry ny Asaramanitra ny filoha Marc Ravalomanana mivady, ny Vehivavy TIM Analamanga, nahatonga solontena tamin’izany koa ny avy any Bongolava. Nisongadina nandritra ireo lahateny nifandimbiasana nataon’ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga Arphine Rahelisoa, ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Jean Claude Rakotonirina ary ny filoha Ravalomanana, fa ampy izay ny famotehana ny firenena, ho avy ny farany, ka andao isika hiaraka hanentana ny vahoaka Malagasy hanangana firenena vanona, izay mikatsaka mandrakariva izay mahasoa ny vahoaka Malagasy.

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko fa: ”aza adino fa ny teny hoe firenena dia avy amin’ny fototeny hoe: RENY. Ianareo izay tonga maro eto dia renim-pianakaviana izay fototra sy andrin’ny tokantranonareo tsirairay. Izany hoe ianareo izany no maha firenena ny firenena koa SAHIA MIJORO MANDRAY ANDRAIKITRA amin’izao fotoana ahafahantsika maka indray ny fahefana izao. Mirary soa sy fahombiazana ary indrindra indrindra fanantenana ho an’ny vahoaka Malagasy sy ny vehivavy manokana aho. Ho avy ny farany ary tsy maintsy misy ny farany, manàna fanantenana, manarak’izany minoa fotsiny ihany, aza matahotra amin’ny fahasahiana hijoro hatramin’ny farany. Mirary taom-baovao sambatra sy ieren-doza ho an’ny olona rehetra koa aho. Tena mafy, misy olona tsy mihinan-kanina any, misy olona tsy afaka mba mividy zavatra kely akory any, mba nanaovany taombaovao izany fa tsy miteny izy, na miteny izy fa tsy misy mihaino. Misy olona enjehina any, misy olona gadraina any, misy olona ampijaliana any, vonoina any dia mitondra am-bavaka an’izy ireny isika.” Mahakasika ny mpitandro filaminana, tsy mihantsy azy ireo aho hoy i Dada, fa tokony tsy homba ny atsy na ny aroa izy ireo, tokony ho tena tandroka aron’ny vozona tokoa.

Ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga dia nanamafy, fa haka fahefana amin’ny fomba ara-dalàna ny antoko TIM sy ny mpiara-dia aminy, nefa raha misy ny tsy fanarahan-dalàna hoy izy, sioka tokana ireo vehivavy marobe ireo dia ho avy.