Fiaran-dalamby TGV fandehan-tsokatra sy miala amin’ny lalany

Sôh’son

Miaina sy mizotra ao anaty fiaran-dalamby Tgv, manao fandehan-tsokatra, sy miàla amin’ny lalany (déraillement) ny firenena tato anatin’ny efa-taona izao. Mbola miezaka manohy ny diany ao anatin’izany ihany anefa izy na tsy anaty lalamby intsony aza, fa aminy izay no « manara-penitra », araka ny filazany matetika sy ny litaniany.

Maro ireo endrika maneho izany fialan-dalana izany. Anisany raha tsy hilaza afa-tsy izany, ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenana toy ny fametrahana ireo governora. Ny zava-misy ara-pitsarana izay anisan’ny misarika ny sain’ny maro ny momba ny raharaha Maheri Lanto Manandafy. Etsy ankilany anefa mangina ny PAC sy ny BIANCO na ihany koa eny anivon’ny Fitsarana mihitsy, momba ny fitoriana ataon’ny avy amin’ny fanoherana. Very an-javony avokoa ireny. Maneho mazava izany koa ny momba ny fisian’ny tsindry ataon’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny Fitsarana amin’ny tranga samihafa. Ary mbola nanamafy izay fanosihosena ny Lalampanorenana izay ny nataon’i Andry Rajoelina nihaona tamin’ireo solombabavambahoaka miara-dia sy manohana azy, izay tsy azo atao velively izany, araka ny lalampanorenana ihany ary namafisin’ny Filoha Marc Ravalomanana. Mazava loatra, fa ny fidiran’ny Fahefana mpanatanteraka amin’ny fahefana mpitsara sy ny Fahefana mpanao Lalàna izay, dia fialàna tsotra izao amin’ny lalana ara-dalàna tokony hizoran’ny firenena.

Etsy ankilan’izany, tsy mitsaha-miakatra ny sondro-bidim-piainana, ary mampanahy fatratra, fa ho lasa ambony be ny taha amin’ity taona ity raha araka ny nambaran’ireo mpahay toekarena. Miakatra hatrany ny vidim-piainana, ka mitarika izany indray koa izao ny fiakaran’ny vidim-bary, izay efa tafakatra hatrany amin’ny 950 ariary ny kapoaka. Efa mampihena ny fatram-bary hohaniny isan’andro izao ny isan-tokantrano, fa tsy vita intsony ny miaina araka ny tokony ho izy nahazatra hatramin’izay. Mandainga i Andry Rajoelina, raha niseho nilaza tamin’ny kabariny ny faran’ny taona, fa mahatsapa ny fahorian’ny vahoaka ny tenany. Tsy azony an-tsaina velively izany fijaliana iainan’ny sarambabem-bahoaka izany, fa mba miresaka ka mba miresaka ny tenany. Miendrika famitaham-bahoaka tsotra izao rahateo ireny teniny ireny. Efa fomba fanaony sy ireo mpiara-dia aminy rahateo iaraha-mahalala izany nandritry ny taona maro. Mampiesona vahoaka sy manao teny mampandry adrisa, fa hampihena ny vidim-bary sy menaka kanefa izao iaraha-mahita izao ny vidiny midangana izay mbola tsy fahita hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena.

Ny zava-misy iainan’ny sarambabem-bahoaka ankehitriny, dia vokatry ny fialàn’ny lamasinina, nohindrahindraina be fahiny, amin’ny lalamby falehan’ny fiaran-dalamby ara-dalàna. Mila manova fitaovam-pitaterana mitondra azy ny vahoaka Malagasy, raha te hitovy sy hanara-dia ny hafa efa mandroso. Fandehan-tsokatra ilay TGV satria miha-gisitra miha-gisitra hatrany ny firenena.