Antsohihy, Ambanja, Ambilobe – Leo an-dRajoelina, miantso an-dRavalo hirotsaka hofidiana

Isambilo

Mitsidika ny any amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny amin’izao fotoana ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro. Tany Antsohihy, faritra Sofia; Ambanja sy Ambilobe faritra Diana izy afak’omaly, nihaona tamin’ireo mpitarika ny antoko tany amin’ireo toerana ireo. Nifantohan’ny dinika tamin’izy ireo ny fiomanana amin’ny fifidianana: fanentanana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, hanara-maso izany lisitra izany, mba ho madio sy mangarahara ary ho eken’ny rehetra ny fifidianana ho avy eo amin’ity taona 2023 ity. Tao anatin’izany koa ny fanentanana ireo mpitarika ny antoko any ifotony, amin’ny fameloma-maso hatrany ny antoko ho amin’izay ho fiatrehana ny fifidianana ho avy izay dia ny fifidianana filohampirenena, ny fifidianana ben’ny tanàna ary ny fifidianana ho mpanolotsaina kaominaly sy monisipaly. Teo koa ny fanamafisana ny firaisankin’ireo mpitarika any amin’ireo toerana ireo. Nisongadina fa efa vonona ny mpikatroka, hiara- hientana hampandresy ny Filoha Marc Ravalomanana amin’ity taona ity.

Nambaran’ireo mpitarika ny TIM any Sofia sy Diana ireo, fa efa leo an-dRajoelina sy ny fitondrany ny any amin’iny tapany avaratr’i Madagasikara iny, ka miangavy ny filoha Marc Ravalomanana izy ireo, hirotsaka hofidiana indray amin’ny fifidianana ho avy io, ho fanavotana ny firenena latsaka an-katerena sy miha-rambony hatrany eto amin’izao tontolo izao.

Manomana ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana any Antsiranana anio koa i Rina, amin’izao diany any avaratra izao, hisy ny kongresim-paritry ny TIM any Diego amin’izao faran’ny herinandro izao.