Anosy Avaratra Avaradrano – Tsy manaiky ny fanalana azy amin’ny toerany ireo mpivarotra

Aly

Tsy manaiky ny fanalana azy ireo amin’ny toerana ivarotany amin’izao fotoana, ireo mpivarotra ao amin’ny sampanan’i Faravohitra any Anosy Avaratra Antananarivo Avaradrano. Ny fokontany sy ny kaominina, sy olona milaza ho tompon’ny tany nefa tsy mampiseho taratasy, na tsy manana taratasy akory, no mikasa hanala ireo mpivarotra. Mitady hanala ireo mpivarotra ny fokontany sy ny kaominina nefa tsy manana vahaolana ny amin’ny hasiana ireo mpivarotra ireo avy eo.

Ny tena zava-misy, olona hafa no tena tompon’io tany io, izay manana taratasy ara-dalàna, io tompon’ny tany manana taratasy ara-dalàna io no nifanaraka tamin’ireo mpivarotra, fa mahazo mivarotra amin’io toerana io izy ireo, efa ho 20 taona mahery izao. Manoloana izao antsojay atao aminy izao, miantso ny depiote sy tompon’andraikitra mahefa ara-pitsarana ireto mpivarotra ireto hamaha izao olan’izy ireo izao.