Kardinaly Tsarahazana – Mafy sy sarotra ny zavatra atrehintsika isan’andro

Nangonin’Isambilo

Ho fanamarihana ny andro faha-56 maneran-tany ho an’ny fiadanana (paix), ny 01 janoary 2023 teo, nisy ny hafatra avy amin’ny Kardinaly Desiré Tsarahazana :

“Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana ety an-tany ho amin’ny olona tsara sitra-po” (Lioka 2, 14)

Ry rahalahy sy anabavy ao amin’ny Jesoa Kristy,
Ry vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka,
Homba anareo anie ny Fiadanana!

Vao avy nankalaza ny misterin’ny fahatongavana ho nofo isika ary mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny Noely tanteraka ny Fiangonana, ka amin’izao fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fiadanana (Journée mondiale de la Paix) izao dia mamelà ahy ianareo raha hindrana ny tonon-kiran’ireo anjely tamin’ny mpiandry ondry tany an-tsaha raha vao avy nampahafantatra ny nahaterahan’i Mesia izy ireo, ka niantsa hoe: “voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana ety an-tany ho amin’ny olona tsara sitra-po” (Lioka 2, 14).

Mampahatsiahy antsika izany, fa ny fiainantsika olombelona, indrindra ny andavanandrom-piainantsika kristianina dia tokony ho feno fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Na dia mafy sy sarotra aza ny zavatra atrehintsika isan’andro dia tsy tokony ho adinontsika ny manome voninahitra Azy Andriamanitra Ray mpahary antsika, nanome antsika an’i Jesoa Kristy zanany, mba hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao. Mendrika Azy ny dera sy ny voninahitra satria tia antsika mandrakariva izy, tsy manam-pahataperana ny famindram-pony amintsika mpanota, ary tsy mitsahatra ny mandrotsaka ny fahasoavany amintsika tsirairay avy izy. Matoa mbola velon’aina isika tsirairay avy dia fahasoavana avy aminy izany.

Koa omeo Azy ny voninahitra amin’ny alalan’ny antsa, vavaka amin’ny endriny maro samihafa, fa indrindra amin’ny fanolorantsika isan’andro ny fiainantsika eo am-pelatanany. Ilaina dia ilaina tokoa izany satria raha ny zavatra hita sy tsapa eto amin’ny firenentsika tokoa manko dia mihamaro isan’andro ny isan’ny kristianina, mitombo ny isan’ny fiangonana, nefa eo anatrehan’izany dia mihanaka etsy sy eroa ihany koa ny ratsy amin’ny endriny maro samihafa toy ny famonoana olona, kolikoly, halatra isan-karazany, fisolokiana, famitaham-bahoaka, fanodinkodinana fananam-panjakana mba hahazoana tombotsoa manokana, fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena izay tokony hanasoavana ny vahoaka Malagasy, herisetra amin’ny endriny maro samihafa… ary ny mampalahelo dia maro ireo kristianina no tompon’antoka sy ao ambadik’ireny zava-mitranga ireny, izay mifanipaka tanteraka amin’ny soa toavina sy ny finoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Toa zary fombafomba ety ivelany fotsiny sisa no maha-kristianina antsika, fa raha ny andavan’androm-piainantsika dia tsy manome voninahitra an’Andriamanitra. Koa atolory Azy ny fiainantsika manontolo, aoka ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany ny zavatra rehetra izay ataontsika amin’ny fiainana andavanandro.

Manaraka izany, ny tonon-kira nataon’ireo anjely dia maniry dia maniry ihany koa ny mba hanjakan’ny Fiadanana eto amintsika olombelona miriaria sy miaina eto an-tany. Tsy ho tanteraka anefa io raha tsy isika mihitsy no samy miara-misalahy, mandray ny andraikitra tandrify azy, mba hikatsaka sy hampanjaka izany fiadanana izany. Fiadanana inona tokoa moa no ho hitantsika raha toa ka tsy misy sakafo hohanina ny ankamaroan’ny olona nohon’ny fidangan’ny vidim-piainana? Fiadanana tahaka inona no higohantsika raha toa ka mandry tsy lavo loha ny ankamaroan’ny Malagasy, satria manjaka etsy eroa ny tsy fandriampahalemana? Fiadanana manao ahoana no andrasantsika raha toa ka maro ireo tsy manan-kialofana nohon’ny fangalarana ny tanin’izy ireo, izay ataon’ireo tsy mataho-tody? Tsy hisy fiadanana raha tsy ampanjakaina ny fandriampahalemana; tsy hisy fiadanana raha tsy ny marina, ny rariny, ny hitsiny no ahindrahindrantsika sy lolohavina an-tampon’ny loha; tsy hisy fiadanana raha tsy entina anasoavana ny besinimaro ny fananam-bahoaka sy ny harem-pirenena; tsy hisy fiadanana raha tsy tandrovina sy hajaina ny soa iombonan’ny vahoaka Malagasy.

Amin’izao fankalazana maneran-tany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiadanana izao dia manainga antsika manokana ny Papa Fransoa mba hifanome tànana, hiara-misalahy fa ny fiarahantsika mientana ihany, no ahafahana mametraka sy mampanjaka ny tena fiadanana maharitra, mba hahafahana miady sy mandresy ireo olana sy krizy maro samihafa eo amin’ny fiainantsika sy ny fiaraha-monina misy antsika. Mitaky fanetren-tena sy finiavana ary fitiavana ny fampanjakana ny fiadanana, ka samy tompon’andraikitra amin’izany avokoa isika rehetra tsy ankanavaka. Andao hifanome tànana, hiara-hientana, hiara-misalahy hampajaka izany fiadanana izany eto amin’ity Nosy malalantsika ity.
Ka eto am-pamaranana dia mitso-drano anareo tsirairay avy ny tenako, mba samy hanana finiavana sy herim-po hikatsaka sy hampanjaka izany fiadanana izany, eo amin’ny sehatra rehetra misy anareo tsirairay avy, ka samy hitondra ny anjara birikiny, mba ho fampandrosoana ity firenentsika ity, mba hiadanan’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka. Mirary dia mirary ihany koa ny tenako mba ho taona anjakan’ny fandriampahalemana sy fiadanana ho an’ny Vahoaka Malagasy tokoa ity taona vaovao 2023 ity. Koa dia apetrantsika eo am-pelatanan’i Masina Maria Renin’ny Fiangonana sy Mpiaro manokana an’i Madagasikara izany faniriantsika izany.”