Fanapenam-bava ataon-dry Rajoelina – Naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora indray i Malama

Stefa

Mbola mitohy ihany ny fanapenam-bava ataon’ny fitondrana Rajoelina ireo mpampaneno lakolosy, naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora omaly indray, i Malama na Mahery Lanto Manandafy. Ny vadiny, Doris Rakoto Samuel, no nampahafantatra izany vaovao izany voalohany omaly, tao amin’ny kaonty facebook-ny.

Mampalahelo tokoa ity raharaha ity, satria raha nivoaka ny fonja i Mahery Lanto Manandafy, fantatra amin’ny anarana ihany koa hoe Malama, ny 31 desambra 2022, dia nilatsaka indray ny didy fampisamborana, izay efa tamin’ny 2020, ka nahazo fampiantsoana teny Fiadanana, sampana fikarohana heloka be vava eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena izy ny 01 janoary 2023.

Raha ny fanambaran’i Doris Rakoto Samuel, vadin’i Mahery Lanto, dia efa eny Antanimora indray ity mpitoroka ny zavatra tsy mety sy tsy ara-drariny eto amin’ny Firenena ity, nanomboka omaly.

Vao nivoaka ny fonja i Malama, dia ny harivan’iny ihany dia niakatra nivahiny tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray, fa noho ny fanajana ny kabary nataon’ny Filoha Rajoelina ny alin’ny 31 desambra 2022, sy ho fahanginana mandritra ny fety, dia tsy nalefa ny andron’iny ny fandaharana, fa ny alatsinainy 2 janoary 2023 teo vao nalefa.

Fampiharana ny didim-pitsarana migadra 1 taona an-tranomaizina any Ambalatavoahangy Toamasina tamin’ny raharaha Benessy no antony nisamborana azy izao.

Nampidirina vonjimaika ao Antanimora i Mahery Lanto Manandafy, mialohan’ny hamindrana azy any Ambalatavoahangy.

Tamin’ny 17 Septambra 2020 no nivoaka ity didim-pitsarana ity araka ny fampitam-baovao hatrany.

Tsy niova tamin’ny fomba fanehoan-keviny i Malama, ary nilaza mazava fa efa hitany ny fonja, izay faratampony amin’ny antsojay, fa tsy ampihemotra azy izany fa hanohy ny tolona izy dia izao naverina am-ponja izao indray.