Filoha Ravalomanana. Taona 2023 – Misorata anarana amin’ny lisi-pifidianana, hifidy isika

Isambilo

Mbola akon’ny fifampiarahabana tratry ny Asaramanitry ny taom-baovao nataon’ny antoko TIM teny Faravohitra, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, nanambara ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana nandritra izany, fa fifidianana miisa 3 no tokony hatao eto amintsika amin’ity taona 2023 ity dia ny fifidianana filohampirenena, ny fifidianana ben’ny tanàna ary ny fifidianana ireo ho mpanolotsaina monisipaly sy mpanolotsaina kaominaly.

Tsy maintsy tokony hatao ireo fifidianana ireo hoy izy, satria ny tsy fanaovana izany dia fandikan-dalàna, fandikana ny lalampanorenana, izay lalàna fototra eto amin’ny firenena. Noho izay antony izay hoy i Dada, mamporisika ny olona feno taona hatrany izy sy ny antoko TIM hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, satria mbola nohalavaina hatramin’ny 31 janoary ho avy izao ny fanavaozana tanteraka izany lisi-pifidianana izany.

Tokony hisy ihany koa ny andrimaso hatao, mba tsy hisy hosoka, tsy hisy famitapitahina indray ao anatin’izany. Noho izay antony izay, hanentana ny any amin’ny faritra ihany koa ny Filoha Marc Ravalomanana, ka hanombohany hanaovana izany fanentanana izany amin’ny faran’ny herinandro izao, ny any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy, any amin’ny faritra Diana, ao amin’ny renivohi-paritra: Antsiranana. Ny herinandro manaraka an’io dia any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana,…

Na izany na tsy izany, efa mivolon’androm-pifidianana ny eto amintsika, satria efa samy nanomboka nihetsika ny ankolafy politika samihafa nanomboka tamin’ny taona 2022 lasa teo iny, samy efa namelo-maso ny antokony na ny vondron’antokony, na ny mpiara-dia amin’ny fitondrana, na ny avy amin’ny fanoherana. Ny irariana dia mba hilamina, sy ho mangarahara ary marina ny fifidianana hatao eto amintsika amin’ity taona ity.