EDITO 5 Janoary – Fitondrana Rajoelina – Tapi-dalan-kaleha, akoho tsy naneno toy izay lanin’ny kary

Sôh’son

Arakaraky ny nirosoan’ny taona, nanomboka tamin’ny taona 2019 no mankaty, no nitrangan’ny fiharatsiana teto amin’ny firenena. Na izany teo amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro na teo amin’ny fitantanam-pirenena. Tsy nisy fihatsaràny misongadina mihitsy teo amin’ireny lafiny ireny. Tato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao no nahitana zavatra maro isan-karazany namoa-doza na haratsiana amin’ny toetra tsy mendrika ataon’ny olona eo amin’ny fitondrana na manam-pahefana. Mazava loatra, manala baraka ny firenena izy ireny. Raha tsy hilaza afa-tsy ny eto an-drenivohitra, tamin’izao fitantanan’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina izao, no nahitana haratsiana sy fahapotehina be indrindra, anisan’izany ny lalana izay aleha rehetra simba avokoa. Tsy nisy fialan-tsiny tamin’ny vahoaka ny tenany, fa tena vazaha be tokoa, amin’ny fahalotoana sy ny fako mivangongo nampiainana ny mponin’Antananarivo nandritry ireny vaninandron’ny fety ireny ary mbola mitohy mandraka ankehitriny izany. Fanaovana tsinontsinona vahoaka izany ary tsy fanomezan-kasina azy. Ny renivohitra anefa no fitaratr’i Madagasikara manontolo ary azo itarafana tsara sy andrefesana ny fomba fiasan’ny fitondrana Rajoelina ny zava-misy. Ny Ben’ny tanàna olony rahateo sy mitovy loko aminy, ka tsy misy ialàny bala amin’ny tsy fahombiazana mitondra firenena.

Ankehitriny, hita taratry ny mpandalina ny raharaham-pirenena, fa tampin-dalan-kaleha izao fitondrana izao. Tsy mbola nisy fitondrana sahirana ara-bola toy izao, ary maneho izany ny tsy fandoavana ny volan’olona maro samihafa nahavita asa nampiandreketina azy. Vao mainka koa nanamafy izany ny filazana re fa taraiky ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Raha misy sokajin’olona tambatambazan’izao fitondrana izao mafy, ankoatra ny mpitandro filaminana, dia ny mpiasam-panjakana. Tsy ataony manana olana amin’ny karamany ireo hatramin’izay sy raha mbola azony atao, fa tena misy olana tokoa ao izay tsy azony ialàna. Fitondrana sahirana, hany ka tsy misy afa-tsy ny fangataham-bola sy izay ahazoana vola no ataon’ny filohan’ny Repoblika rehefa mivoaka any ivelany manatrika fivoriana an-tampony samihafa. Niala maina anefa tsy nahazo vola raha ny farany teo tany Etazonia, ary dia nitsaitsaika nody nangingina.

Tsy atao hahagaga, ary efa nosoratana hatrany teto amin’ny gazety, fa ireo fototra mampandroso firenena mihitsy no nohitsakitsahin’izao fitondrana izao hatrany am-piandohany sy nataony an-tsirambina. Anisan’izany ny fahamarinana. Hany ka mandrorona ny asa ataony rehetra heveriny hampandrosoana ity firenena ity. Aty amin’ny taona na volana maromaro sisa hitondrany vao mody mikoropaka manambara ny drafi-pampandrosoana efa nambara tany amin’ny taona 2018. “Akoho tsy naneno ohatr’izay lanin’ny kary”, hoy ny fitenenana. Raha nanam-pahendrena ny filohan’ny Repoblika, dia naneho fialan-tsiny tamin’ny vahoaka Malagasy noho ny tsy fahombiazany tamin’ny fitantanany tamin’ny kabariny faran’ny taona teo. Ny olana, tsy miaiky heloka izy. “Ny heloka ibabohana anefa mody rariny”, hoy ny fahendrena malagasy. Ny olona mahay mitondra sy natao hitondra firenena marina, ao anatin’ny iray na roa taona voalohany itondrany dia efa misy zavatra miova sy mankamin’ny fihatsaràna amin’ny fiainam-bahoaka, ary misy fitohizany hatrany izany mandra-pahatapitry ny fe-potoana iasàny. Mifanohitra amin’izay no nitranga tamin’izao fitondrana izao. Inoana fa mahita izany tsara ny olom-pirenena izay handray fanapahan-kevitra amin’ny fotoam-pifidianana ho avy amin’ity taona ity.