AMPY TSY HAHALANY INTSONY

Ampy tsy hahalany intsony ny filohanay hajaina
Ny hamaroan’ireo karazan’antsoantso sy taraina,
Izay mitory ny hatezerana efa tena miakatrakatra,
Noho izato vidim-piainana efa mila tsy ho takatra!

Indro idirany daholo ny asan’ireo notendrena.
Ny mitsabaka etsy sy atsy, izay no amonoany tena.
Izy ho “rain’ny Malagasy”, izay no tena tiana ho tazana,
Saingy hatreto ny fiteniny no lasa mampisara-bazana!

Ampy tsy hahalany intsony ny filohanay hajaina,
Ny tsy fijereny akaiky sy tsy fampiasàny saina
Ny amin’ny fahoriam-bahoaka mihamangidy sy mafaitra,
Nefa hatreto tsy ahitany vahaolana mandaitra!

Lasa loatra angaha ny sainy ka misidina any ho any,
Na ny tongony mihitsy no efa tsy mitehin-tany,
Fa ny zavatra eto akaiky, ny olana eto ambany maso,
Ireny indray no tsy voavahany fa tratry ny andrasoandraso!

…Santionany ireo nolazaina sy ireo notanisaina,
Saingy ampy tsy hahalany ny filohanay hajaina.
Tsy fotoana intsony izao mba hanamboarana makety,
Fa ho azy: ampy izay, ny mijanona no mety!

DADAN’i ZINA (28-12-2022)