Rina Randriamasinoro – Tsy ekena intsony ny mpangala-bato sy mpamotika firenena

Isambilo

Nitondra ny teny fiarahabana ny filohan’ny antoko TIM Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany, teny Faravohitra omaly, noho ny Asaramanitra, ny sekretera jeneralin’ny antoko Rina Randriamasinoro. Nosoritany tamin’izany, fa misy ihany koa ny avy any amin’ny faritra tonga niarahaba an’i Dada sy ny fianakaviany izao. Ny taona no nifarana hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, fa ny fahorian’ny vahoaka dia mitohy ihany.

Mila ray aman-dreny tena mahalala ny fahoriany ny vahoaka, ray aman-dreny mahalala ny tena ilain’ny vahoaka, mitazona ny fahamarinana. Tsy iza izany fa ny filoha Marc Ravalomanana hoy izy. Ny filoha Ravalomanana hoy i Rina, no Dadan’ny vahoaka Malagasy, vonjeo ny vahoaka hoy izy, satria tsy azo ekena intsony ireo mpangala-bato, sy ireo mpamotika firenena. Ny fahavalon’ny vahoaka hoy izy dia ireo mpangala-bato, sy ireo mpanapotika firenena ireo.

Nisolotena ny avy any amin’ny faritra ny Praiministra lefitra teo aloha, Botozaza Pierrot. Marary ny fo ny tena amin’ny fandikan-dalàna misy amin’izao fotoana, sy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona misy, hoy i Botozaza. Mila miteny amin’izay ny manam-pahaizana sy olon-kendry hoy izy, fa efa halohalika ny ranom-bary. Manantena anao zahay Andriamatoa Filoha Ravalomanana, hoy ihany izy nandritra izany.

Ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM, sady depioten’ny Boriboritany faha-5, Fetra Ralambozafimbololona dia nanamafy fa mila ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eo amin’ny fitondrana ny maro, izy ihany hoy izy no hanavotra izao firenena tena latsaka an-katerena tanteraka izao. Tsy hanakorontana izahay na izany aza hoy ity olom-boafidy ity, nefa tsy hanaiky lembenana amin’ny zavatra rehetra tsy mety ataon’ny fitondrana Rajoelina eto amin’ny firenena. Miantso fitoniana ny mpitondra amin’izao fotoana, nefa izy ireo ihany no mamboly korontana hoy ity solombavambahoaka ity.

Ny filohan’ny fikambanan’ireo olom-boafidy TIM, na Collectif des Elus TIM, Christian Andrianjafy dia miantso ihany koa ny filoha Marc Ravalomanana, hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy. Ny fikambanan’ireto olom-boafidy TIM ireto dia miisa 482, izy ireo manerana an’i Madagasikara.