Filoha Ravalomanana – Vonona hitarika vahoaka ho eny Analakely raha ilaina

Isambilo

Mahakasika ny zava-misy sy ny fahasahiranan’ny vahoaka eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, nahitsy ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, nandritra ny fifampiarahabana tratry ny taona teny Faravohitra omaly. Tsy matahotra an’Andriamanitra ny mpitondra misy amin’izao fotoana hoy izy, satria mandainga amin’ny vahoaka. Vonona hitarika vahoaka ho eny Analakely aho raha ilaina izany hoy izy, saingy misy fotoanany ny zava-drehetra. Tsy hanaiky lembenana toy ny tamin’ny taona 2018 intsony aho hoy ihany i Dada. Manaiky ho Dada aho hoy izy ary efa tena niova. Mila fiainana vaovao ny Malagasy, manana vahaolana ho amin’izany aho hoy ihany ity mpandraharaha mpanao politika ity. Ny fanarahan-dalàna dia ny fanaovana ireo fifidianana amin’ity taona ity dia ny fifidianana filohampirenena sy ny fifidianana eny anivon’ny kaominina.

Ankoatra izany, miantso ny rehetra manohitra izao fitondrana izao koa izy hiray hina, ny antoko MFM izay nankalaza ny faha-50 taonany ny herinandro teo dia efa vonona ho amin’izany. Nohamafisiny fa tsy ho resy izahay, fa ho mpandresy, tonga ny fotoana hoy ihany ity filohana antoko ity. Nasiany resaka koa ny momba ireo mpitandro filaminana, tokony hiverina andakazery izy ireo, ary tokony tsy homba ny atsy na ny aroa, hoy ihany Dada. Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa izy hijery manokana an’i Madagasikara amin’izao fifidianana ho avy izao, satria tsy manaraka fenitra iraisam-pirenena ny zava-misy eto amintsika ankehitriny: tsy manaraka ny protocole ny Sadc, ny lalam-pifidianana tsy izy, tsy mahaleotena ny CENI sy ny HCC,…

Ity taona 2023 ity no fotoana nandrasana hatramin’izay hoy ihany ny filoha Marc Ravalomanana. Koa manentana ny mpikatroka TIM rehetra manerana ny Nosy izy, hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, hanara-maso izany. Ho tonga ny farany izao, ka manantena isika hoy izy. Mila hetsika na action ihany koa ity taona ity noho izany hoy ihany ny filoha Marc Ravalomanana. Mahakasika ny raharaha iraisam-pirenena, naneho fiaraha-miory amin’ny mpino katolika izy, noho ny fahalasanan’ny Papa teo aloha, Benoit XVI.