Finoana Katolika eto Madagasikara – Tonga ny solontenan’i Papa vaovao, Mgr Tomasz Grysa

Stefa

Tonga ny solontenan’i Papa vaovao eto amintsika dia Mgr Tomasz Grysa. Tonga ny alahady teo ny Nonce Apostolique vaovao, Mgr Tomasz Grysa no anarany, izy dia teraka ny 16 okotobra 1970 (52 taona) tany Poznań Pologne.

1995 : nahavita ny fiofanana tao amin’ny séminaire an’i Archidiocèse de Poznań, namasinina ho Pretra ny 25 mey 1995;
1997-2001 : niomana tamin’ny andraikitra diplomatika tao amin’ny Académie pontificale ecclésiastique, ary voaray ny 1 jolay 2001. Nanohy nianatra tao amin’ny Oniversite pontificale grégorienne, ka nahazo ny doctorat en droit canonique;
2001-2003 : Secrétaire de nonciature tany Rosia;
2003-2008 : Secrétaire de nonciature tany Inde sy Népal;
2008-2011 : Secrétaire de nonciature tany Belgique;
2011-2013 : Secrétaire de nonciature tany Mexique;
2013-2016 : mpanolotsaina tao amin’ny nonciature apostolique du Brésil;
2016-2019 : niasa tao amin’ny nonciature des Nations Unies;
2019-2022 : mpanolotsaina voalohany tao amin’ny nonciature apostolique de Jérusalem.

Ny 27 septambra 2022 no notendren’i Papa François ho Nonce Apostolique eto Madagasikara izy, ary délégué apostolique aux Comores sy délégué atsy La Réunion koa.
Noraisina ho Archevêque titulaire de Rubicon izy ny 1 novambra 2022 tao amin’ny Basilique archicathédrale des Saints Pierre et Paul de Poznań. Arak’izany, handray ny asany amin’izao volana janoary izao ity solontenan’ny Ray Masina eto Madagasikara ity.