Kaominina Talatamaty – Nanolotra fanomezana ho an’olona miisa 2400

Helisoa

Noho ny fahatongavan’ny krismasy sy ny taona vaovao dia tsy nijery fotsiny ny ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic ao amin’ny kaominina Talatamaty distrikan’Ambohidratrimo, fa nisy ny fanampiana mba hanalàna fahasahiranana ireo olona miisa 2400 ao anatin’ny fokontany miisa 12 ao amin’ny kaominina Talatamaty.

Vary, savony, paty no natolotra tamin’izany. Ao anatin’izany ihany koa dia notolorana solombodiakoho ireo zokiolona ary ireo sembana ara-batana. Nanambara ny ben’ny tanàna fa tsy vao izao akory izy ireo no manao izao fanampiana izao, fa efa fanao isaky ny tonga ny tonontaona. Ankoatra izay, nanentana ireo mponina izy mba hijery sy hanoratra ny anarany ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, satria efa akaiky ny fotoana hanaovana ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity.

Nisaotra sy nankasitraka ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-masa aminy ary ny mpanolotsaina ny tanàna ireo mponina nahazo tombontsoa, fa tsy nanadino azy izy ireo sady mba ho afa-pahasahiranana izahay hoy ireto farany amin’izao fety izao. Nanombohana ny fizarana, ny tao amin’ny fokontany Mamory Miray Antoby.