Na fety aza ny andro – Mitohy ny antsojain’ny fitondrana amin’ny mpanao facebook

Niaina

Na fety aza ny andro, mitohy ny antsojay ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’ny mpanao facebook. Tanora mpanao facebook iray: Tsiry Andriamihantasoa, filohan’ny fikambanana FTMA: Fikambanana Tanora Mandray Andraikitra indray, no natao famotorana tetsy amin’ny sampan-draharahan’ny heloka an’habaka, na cybercriminalite tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava omaly. Tao aorian’ny famotorana natao azy, nisy ny fanambarana nataon’i Tsiry:”vita ny fanadihadiana izay natao ahy tao amin’ny Sampana Cybercriminalité Toby Ratsimandrava androany maraina. Mahakasika ny fizarana vaovao fisian’ny fahatapahan-jiro, izay nataoko tao amin’ny vondrona Bongatsara Atsimondrano no nitoriana ahy ny andron’ny 18 Desambra 2022, izay efa nofafako androtrio ihany, hiakatra parquet rahampitso (anio alakamisy) amin’ny 11 Ora ny raharaha izay nanenjehana ahy … Tsy manan-kolazaina ankotran’izay aho, hisafidy ny hangina fa hidina hanasoa indray ireo vahoaka miandrandra ahy … Ka miala tsiny ho anareo izay liam-baovao mahakasika ny ankotran’izay. Misaotra anareo namana rehetra izay nampahery sy nitrotro am-bavaka, fa hery ho ahy ny fanohananareo, misaotra ny mpiara-miasa amiko, ny Fikambanana Tanora Mandray Andraikitra. Misaotra ny mpisolovava izay tena nisolovava ahy nanatrika ny fanadihadiana.” Dia ho hita eo ny ho tohin’ity raharaha ity anio.