Fitondrana Rajoelina – Miharihary hatrany ny famitahana vahoaka ataony

Sôh’son

Niaraha-nahita ny nampiainana ny mponin’Antananarivo niatrika ny fetin’ny Krismasy tao anaty loto, satria dia tsy afaka ireo fako nivangongo tamin’ny toerana maro samihafa teto an-drenivohitra. Tsy nahavita ny andraikiny ny Ben’ny tanàna vazaha be, fa ny toerana tokony hivezivezen’ny mponina maloto, mifanalavitra tanteraka amin’ny toeram-piasany sy indrindra ny any an-trano fonenany izay tsy kasihin-dalitra. Nataony fitaovana fotsiny ny mponin’Antananarivo nakany vato hahalany azy tamin’ny fifidianana, fa tsy misy fivoarany na fiovàna ny renivohitr’i Madagasikara mandrak’ankehitriny, na dia nanaovany kabary mampandry adrisa sy fihetsika feno fihatsarambelatsihy nandritry ny fampielezan-kevitra. Tsy mendrika ny mponin’Antananarivo na ny vahoaka malagasy manontolo ny tanàna maloto anaty vanim-potoanan’ny fety toy izao. Voafitaka tsotra izao ny mponina, ary mbola hatramin’ny rahoviana no hamitahana azy ?

Miharihary ihany koa izay famitahana vahoaka izay raha mahita ireo rentina-jiro samihafa napetraka eny Antaninarenina manoloana ny lapam-panjakana. Ariana dia amin’izany ny vahoaka, mba tsy hitodika sy hisaina ny fahantrany sy ny fahasahiranam-piainany manjo azy andro aman’alina. Maneho mazava tsara ihany koa izany fa tena mihitsoka anaty fahantrana lalina ny firenena, fa hadisoan-kevitra tanteraka hoan’izay mihevitra ho fandrosoana izany. Fa hampiova inona amin’ny vola miditra amin’ny kitapom-bolan’ny isam-pianakaviana sy ny any anaty vilanin’ny isan-tokantrano rotehin’ny fahantrana lalina ireny jiro mirenty ireny? Mazava loatra fa fanakonana ny zava-misy marina iainam-bahoaka ireny, izay efa politika fanaon’izao fitondrana izao. Fanasana atidoha fotsiny ihany sy famitahana izay mety azo fitahina rehetra sy marivo salosana ireny, sy ny fihetsika na teny nataon’i Andry Rajoelina. Milaza ho miantso firaisan-kina ny tenany nefa ny olom-pirenena tsy mitovy fomba fijery aminy rehetra, sy indrindra ny mpanohitra aza itodihany lamosiny sy ny hazon-damosiny, no asainy mihaino izay ambaran’izy ireny. Ny fampihavanana nataony ankilabao dia izao iaraha-mahita sy mahalala tsara izao ny niafaran’ny CFM sy ny zava-bitany, izay tsy nisy nivaingana mazava akory ka nahatsara ny fiaraha-monina malagasy, ary ny toe-tsain’ny maro tamin’ny 2009- 2010 ihany no mbola mifaritra sy milasitra anatiny. Tsy nisy fihatsarany ny toe-tsaina anaty fiaraha-monina malagasy ary vao mainka aza miha-simba, mba tsy ilazana hoe nosimbaina.

Miendrika mihaingo ambony tsikoko ihany ny fahitana ny zava-misy, ary ratsy izany. Tsy mendrika izany ny vahoaka malagasy. Manjaka ny tsy rariny sy ny tsy hitsiny eto amin’ity firenena ity, amin’ny fisian’ny endri-piainana roa mifangarika tanteraka, dia ny an’ireo olom-bitsy mpanefoefo sy ny an’ny sarambabem-bahoaka miady izay iveloman’ny ankohonany andro aman’alina. Fitondrana Rajoelina no misy izany fiainam-pirenena ratsy izany. Fitondrana mampahory sy mampijaly ary mampahantra vahoaka. Fitondrana mampahory ireo sahy manakiana azy, tokony efa fotoana izao hamoahany ireo gadra politika izay mbola any am-ponja, ny taona vaovao tokoa dia fotoanan’ny fifamelana, sa dia efa tena fo vato loatra ny an-dry Rajoelina sy ny forongony ireto?