Ignace Randriamamizafy – Ho potika sy hihanjahanja ry TGV sy ry Rajoelina

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’ny mpanao politika avy amin’ny TIM sy ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, Ignace Randriamamizafy na i Gôna, ny gazety Ny Valosoa Vaovao, mahakasika ny raharaham-pirenena, indrindra ny momba ny ady anatiny ao amin’ny fitondrana, sy ny fifidianana filohampirenena ho avy. Dinidinika:

Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV): ahoana ny fahitanao ity ady anatiny ao anivon’ireo mpiara-dia ao amin’ny fitondrana ity amin’izao fotoana?
Ignace Randriamamizafy (IR): raha izao raharaham-pirenena amin’izao fotoana: ho potika sy hihanjahanja eo ry Tgv sy ry Rajoelina ireo. Ka io lojika izany, na tsy miady an-trano aza izy ireo, fa raha vao plateforme des partis dia ho rava foana io amin’ny fin de mandat na faran’ny fotoam-piasana ary mise en minorité, na miha-vitsy an’isa foana izay filoha manao an’io. Tsy possible sady tsy logique anie ny situation eto: Filoha lany 52% nefa avy eo manana deputé 90%, iza izany, dia electeurs avy taiza ilay 35% nanampy azy io. Ny logique raha lany 52% ny filoha, dia raha be indrindra 56% no deputé azony. Fa iza ilay 35% niditra tao. Ary dia ireo 35% ireo miala tao rehefa akaiky ny fin de mandat. Efa voan’io ny Tim 2009, ny filoha Ravalomanana lany 52% 2006 nefa nanana depute 90 % 2007, niala tao ry Jacques Sylla sy ny namany. Voan’ io Rajao: lany 54% 2013 nahita depute majorite tsy hay fiaviana izany 2014, fa nialan’ny depiote tamin’ny 2018: 73 deputés. Dia io koa voa koa Rajoelina, lany 52% 2018, fa lasa mahita deputé IRD 85% tampoka eo 2019. Dia ho vita io 2023.

GNVV : manao ahoana kosa ny mpanohitra, indrindra ny TIM sy ny RMDM, manoloana izay zava-misy, tsy fahombiazana sy fizarazaran’ny mpomba ny fitondrana izay ?
IR : mila jeux d’alliance ho an’ny filoha raha miditra 2e tour, fa ny election deputé tsy tokony hanaovana jeux d’alliance na plateforme. Ny majorite ange 50% +1, ka raha lany 52% ny filoha Tim, dia ahoana moa no tsy hahazoan’ny Tim deputé 50%+1. Fa tena ratsy be ary mal elu ilay filoha dia milatsaka 48% ohatra ny depute azony, dia manao jeux d’alliance any anaty gouvernement anie dia mahazo majorite relative e. Mampiditra parti manana 5% depute fotsiny dia vita (Tranga, na cas: Macron any France io), fa tsy hoe mba hahazoana majorité 80% dia andao hanao plateforme Tim + nanana blabla amin’ny election deputé. 50+1 dia efa majorite absolu afaka mi-gouverner na mitondra, ka hatao inona 80% ?

– GNVV : ahoana ny vinavinanao amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy eo?
IR : fijeriko an’io : Scenario 1 : Ravalo vs Siteny no 2 e tour. Scenario 2 apres halabaton-dRajoelina, Ravalo vs Rajoelina. Scenario probable : mety hisy sy hitranga koa : rotaka be après 1er tour, satria hangalabato Rajoelina.

GNVV: ahoana no ho fiatrehan’ny mpanao politika an’izay, indrindra ny mpanohitra?
IR: mila homanina mialoha ny fomba hiatrehana sy hitantanana an’io. Izany hoe mila hay mialoha ny strategie na ny paikady rehetra hiatrehana ny halabato, sy ny gestion de crise, na ny fitantanana sy ny fiatrehana ny krizy ao aorian’io.