Kaominina Ambohitrimanjaka – Tratra avokoa ny fanamby fampandrosoana ho an’ny taona 2022

Franck Razakambelo

Tontosa avokoa ny ankabeazan’ireo tetik’asa fampandrosoana voasoritra ao anatin’ny « Plan de travail », nandritra ny taona 2022 ho an’ny Kaominina ambanivohitra Ambohitrimanjaka distrikan’Ambohidratrimo, hoy ny Ben’ny tanàna Randriamanalintsoa Ihajason.

Nanohy fanazavana ity olom-boafidy avy amin’ny antoko Tim ity, fa vita ny fanamboarana an’ireo tohadrano miisa 2, izay manondraka ny fambolena mirefy 2100 ha ary tontosa ny fanamboaran-dalana sy tetezana mampifandray an’ireo Fokontany miisa 25 ao an-toerana. Eo amin’ny tontolon’ny fampianarana dia nanamafy ny Ben’ny tanàna, fa vita ny fanavaozana ny fotodrafitr’asan’ny Lycée Ambohitrimanjaka, niaraka amin’ireo Sekoly fanabeazana fototra miisa 7 ary tontosa ihany koa ny fanamboarana ny toeram-pilalaovana baolina kitra sy « Basket » ao an-toerana.

Nanohy fanazavana izy, fa nihena ny tahan’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny Kaominina Ambohitrimanjaka satria nampiofana Polisy Kaominaly miisa 8 sy « Quartier mobile » miisa 175, nanavao ny trano « Poste avancée » Zandarimaria Ambohitrimanjaka ary nametraka jiro « Lampadaire » miisa 175 nentina nanazavana ny tanàna ny Kaominina.

Eo amin’ny sehatra sosialy dia nilaza ny Ben’ny tanàna, fa nahavita Kopia faobe miisa 450, nikarakara mariazy faobe ho an’ny mpivady miisa 91, nikarakara didimpoitra faobe miisa 300 ny fiadidian’ny Kaominina nandritra ny taona 2022 ary nahavita nanan-gana Csb II iray, vovo fatsakana miisa 5, fanasan-damba sy trano fivoahana maromaro ihany koa.

Nilaza ity olom-boafidy ity, fa nanamarika ny taona 2022 ny fametrahana « Forage d’eaux » mandeha amin’ny alalan’ny « Panneaux solaires » niarahana tamin’ny orinasa sinoa, izay afaka mamatsy rano fisotro madio ny mponina ao amin’ny Fokontany miisa 18 ary tombony ho an’ny Kaominina Ambohitrimanjaka ny fisitrahana ny tetik’asa famatsian-drano « Water free ».

Namarana ny tatitra Andriamatoa Ihajason, fa nohatsaraina ihany koa ny fomba fiasan’ny mpiasan’ny Kaominina, mba hahafahana nampitombo ny fidiram-bola, ao anatin’izany ny fanatanterahana ny « Renforcement de capacité personnelle», izay nampihena ny tahan’ny kolikoly teo amin’ny fangalana ny « Ticket de marché », ny fandoavan-ketra ; ny « Ristourne », ny « Impôt synthétique » , nampitomboina ny ora fiasan’ny mpiasa, nohavaozina tanteraka ny tranon’ny Kaominina Ambohitrimanjaka.

Marihina fa volan’ny Kaominina madiodio tsy nisy fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana, no nanatontosana ny tetikasa fampandrosoana rehetra izay voatanisa ireo, hoy ny tompon’andraikitra.