Antoko MFM – Mitohy ny tolona, feno 50 taona ny 27 desambra teo

Isambilo

Feno 50 taona ny 27 desambra teo ny antoko MFM. Antoko niorina tamin’ny 27 desambra 1972, feno 50 taona katroka arak’izany ity antoko ity ny talata teo. Ny MFM dia midika ho Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara, tany aloha: Mitolona ho an’ny Fanjakan’ny Madinika. Arak’izany, mbola mitohy foana ny tolona ho an’ny ao amin’ity antoko ity, sy ireo mpikatroka ao aminy.

Nisy afak’omaly 27 desambra 2022, ny fankalazana teto Antananarivo, teny Tsiadana tao amin’ny Boriboritany faharoa, nomanin’i Doris Rakoto Samuel, vadin’i Mahery Lanto Manandafy, ity farany izay zanaka lahin’i Manandafy Rakotonirina, isan’ny mpanorina ny MFM tamin’ny taona 1972. Nanotrona izany ny mpikambana Mafana, na MFM isany: Ramarolahy Maurice, Depioten’Antsalova teo aloha, sy Raharinirina Jacques Aimé.
Mbola voatazona am-ponja ao Antanimora nanomboka ny faran’ny volana septambra 2022 i Mahery Lanto Manandafy, noho ny ampamoaka nataony, ka nanondroany ireo mpiray tsikombakomba mpamatsy bala ny dahalo.

Nisy ihany koa ny fankalazana nataon’ireo MFM any Toliara. Nivoizin’izy ireo, fa ny afo tsy maty, mitohy ny tolona. Hisy ihany koa hetsika hatao ao amin’ny Motel Anosy anio alakamisy 29 desambra 2022, ho fankalazana ity faha-50 taonan’ny MFM ity, araka ny fanasana nataon-dRakotovazaha Olivier, senateran’i Madagasikara teo aloha, sady filoha nasionaly mpisolo toerana ny antoko.