EDITO 29 Desambra – Politika fanambatambazana – Mariky ny tsy fahombiazana amin’ny fitantanana firenena

Sôh’son

Tsy fahaizana mitondra firenena tsotra izao ny fanaovana politikan’ny fanambatambazana. Miharihary fa miditra amin’izany tato ho ato i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy manohana azy. Niaraha-nahita sy nandre ireny teny Antaninarenina ireny, nandritry ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy. Iza no tsy mahalala, indrindra ny mpanara-baovao sy mpandinika ny fiainam-pirenena, fa misy ankolafin’olona eto ailika sy atao anjorom-bala. Misy tsy amakiany loha sy tsy raisiny velively eny amin’ny lapan’Antaninarenina na dia mangataka fihaonana aminy, fa very fotsiny sy mihantona ao amin’ny mpandray ny taratasy fangatahana. Misy aman-taonany ireny no milona fotsiny ao tsy misy valiny. Izany hono izy no milaza firaisankina sy fifankatiavana. Dia niaraha-nahita sy nandre ihany koa ny fanomezana zavatra fanambatambazana ireo mpivarotra nisiotsioka azy teny Analakely. Mazava loatra fa mbola hisy hafa izany fihetsika izany ary amin’io sokajin’olona fantimpantenana ihany no mahazo izany, izay azo anaovana famahanan-dalitra sy fampandriana adrisa ary azo ampiesonina toy izay efa nataony hatramin’izay.

Dia niaraha-nahita sy nandre ihany koa ny fanapahan-kevitry ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, izay voalaza fa niara-nidinika tamin’ny tao amin’ny Prezidansa na ny filohan’ny Repoblika, ny hanomezana alalana indray aloha ireo mpivarotra amoron-dalana hivarotra amin’ny toerana efa nandroahana azy. Politikan’ny fanambatambazana daholo izany rehetra izany. Ary hatramin’ny solombavambahoaka Raholdina mody mahita midina eny amin’ny 67ha, momba ny resaka tany misy tontolo maitso izay tsy eken’ny mponina ny anaovana fanorenana trano ary tsy maintsy arodana ny efa misy manandrana manangana trano amin’izany toerana izany. Mazava loatra fa fanaovana pi-maso amin’ny vahoaka isehoana, fa tena mijery azy ireo ny fitondrana izany fihetsika izany.

Sanatria, mbola hisy olom-pirenena ho mora voafitak’izany politika miharo hafetsena ratsy izany ve? Iaraha-mahalala ny ngidim-piainana manjo ny sarambabem-bahoaka tato anatin’ny efa-taona nitondran’i Andry Rajoelina izao. Fidangan’ny vidim-piainana izay tsy mitsaha-misondrotra andro aman’alina, ny tsy fandriampahalemana isehoan’ny habibian’ny asan-jiolahy sy dahalo manapotika ny fiainam-bahoaka andro aman’alina… Ny tanànan’Antananarivo tsy misy fiovàny fa vao mainka aza mihemotra ary anaty fahapotehana ny renivohitra. Maneho izany ny fivangongon’ny fako eraky ny arabem-bahoaka, ny fahapotehan’ny lalana izay mahatsiravina mihitsy ao anatin’izao fotoam-pahavaratra izao, ary tsy nitàna ny teniny sy nanatanteraka ny fampanantenany i Naina Andriatsitohaina Vazahabe, ka zary namita-bahoaka fotsiny. Ny fahatsapan’izy ireo izany tsy fahombiazany izany, no tsy maintsy nidirany amin’izao politika fanambatambazana sy fanampena-maso vahoaka izao. Mazava loatra fa tsy hivaky loha amin’ny Malagasy mihitsy izy ireo ny amin’izay tsy fahaiza-mitantana izay, satria eo ny tsy fahatsiarovan-tena ho tomponandraikitra tanteraka eto amin’ity firenena ity, fa zatra manilika amin’ny hafa hatrany ny tsy mety.