NY FITSARANA AVO

Very hasina tanteraka ilay hoe fitsarana avo,
Fa dia toa mitazam-potsiny ny hadalan-dry “loham-boatavo”.
Tena voky saosy angamba ka dia hita ho miandany.
Ny hadalan’ireo mpitondra no arahiny hatrany!

Lalana hita fa tsy mety sy efa ambara ho mivaona,
No nizoran’ny mpitondra tao anatin’ny efa-taona.
Saingy tsisy fanitsiana, tsisy na dia fitenenana,
Fa mangina iretsy “avo” , toy ny vato itaingenana!

Very hasina tanteraka ilay hoe fitsarana avo,
Ka ny ampitso sy ny hoavy, zary toa manjavozavo.
Tsinjo dieny aty aloha ny ady sy fikorontanana,
Raha toa ka hisy ihany izany atao hoe fifidianana!

…Fa very hasina tanteraka iretsy olo-nofantenana
Mba hampihàtra ny lalàna izay natao ho fanorenana.
Saosy omen’ny mpitondra, izany ve no tena andrianiny,
Sa ireo vahoaka tsotra mihamahantra eto amin’ny taniny?

DADAN’i RIANA (22-12-2022)