Talatamaty. Collectif Diaspora – Nizara vary, mofo ho an’ny zokiolona

Helisoa

Nanohy ny fizarana fanampiana hoan’ireo zokiolona ny solontenan’ny Collectif Diaspora eto amintsika ny faran’ny herinandro teo, teny Talatamaty distrikan’Ambohidratrimo faritra Analamanga. Ny Fokontany Faralaza sy Ambohitravao ao amin’ny kaominina Talatamaty indray, no nanohizan’ny Collectif Diaspora, izay resy lahatra tamin’ny zava-bitan’ny filoha Marc Ravalomanana, nanohizan’izy ireo ny fanomezana vary, mofo, biscuit, ho an’ireo zokiolona teny an-toerana.

Ny fiandohan’ny herinandro teo, efa nanome fanampiana ho an’ireo zokiolona tamin’ny fokontany hafa teny Talatamaty koa izy ireo. Asa sosialy efa fanaon’ny Collectif Diaspora ny fizarana zavatra ho an’ny zokiolona, sy ny sahirana ara-pivelomanana toy izao, isaky ny andro fety samihafa.