Fikambanana Soa Miahy – Nanolotra kilalao ho an’ireo ankizy sahirana ao Ambohimanandray

Helisoa

Noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely na ny Krismasy dia tsy nanadino ireo ankizy sahirana ara-pivelomana, monina ao Ambohimandray Ambohimanarina Boriborintany faha- 6, ny fikambanana Soa Miahy tarihan’i Martial Tovonirina. Marihina fa fikambanana mpanao asa soa ity farany, ka na vao haingana aza no niforonany dia efa maro ny asa soa nataon’izy ireo: toy ny fijerena sy fanampiana ireo mponina teny La Reunion Kely. « Tsy hijanona amin’izao fotsiny eto amin’ny boriborintany faha-6 ny asa soa ataon’ny fikambanana SOA MIAHY, fa hisandrahaka manerana an’i Madagasikara, » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ity fikambanana ity.