Fikambanana Erikerika Madagasikara – Nanampy ny ray aman-dreny sy mpampianatra ao amin’ny EPP Ambohitravoko

Ny Valosoa

Rehefa nitondra ny tatitra tamin’ireo mpikambana ao amin’i Erikerika Madagasikara (France), Rafidison Jean Philippe (filoha) sy Ramanoarison Noro (filoha lefitra), taorian’ny fandalovany tao amin’ny EPP Ambohitravoko distrikan’i Manjakandriana ny 22 septambra 2022, dia tapaka nandritra ny fivoriana, fa hitondra fanampiana ho an’ny sekoly. Vola mitentina iray tapitrisa ariary no natolotra ny talen’ny sekoly, ramatoa Ravaoarimanana Thérèse, ny 17 novambra 2022, ho fanampiana fianakaviana miisa 31 sahirana amin’ny fandoavana ny saram-pampidirana, ary koa ho fanampiana ireo mpampianatra tsy mandray karama ara-dalàna sy miasa maimaimpoana mihitsy aza. Nisolotena ny fikambanana tamin’izany i Ratsaratany Rivonirina Mparany, izay isaorana manokana amin’ny fandavantenany. Soritana fa miisa 50 ireo fianakaviana manan-janaka mianatra ao amin’ny sekoly, 137 ny isan’ny mpianatra ary 9 ireo mpampianatra. Eto dia ankaherezina ireo mpampianatra izay tsy mikely soroka amin’ny fanabeazana ireo ankizy na dia betsaka aza ny fahasahiranana, hoy ihany ny tatitra izay nataon’ny mpitarika ny fikambanana Erikerika Madagasikara any Frantsa.