Ireo depioten’Antsirabe II – Nanome fitaovana samy hafa ho an’ireo kaominina miisa 20

Stefa

Nanome fitaovana samy hafa ho an’ireo kaominina miisa 20 ao amin’ny distrikan’Antsirabe II faritra Vakinankaratra, ireo depiote mirahalahy voafidy tany amin’ity distrika ity dia ny depiote José Randrianantenaina sy ny depiote Alfred. Moto, ordinatera, Matériaux de construction na fitaovana fanaovan-trano toy ny simenitra, vy, fanitso no natolotr’izy ireo tamin’izany, ho an’ireo kaominina 20 ao amin’ny distrikan’Antsirabe II tamin’ny alalan’ny volan’ny CIAD (Crédit d’Investissment et Appui au Développement). Anisan’ny nahazo moto ihany koa ny Zandary ao Antanambao, ny delegen’ny mponina, ary ny delege misahana ny serasera ao amin’ity distrika ity.