Ho henjana ny taona ho avy io – Manonga manonga hatrany ny vidim-piainana

Ny Valosoa

Amin’izao fiafaran’ny taona izao dia manonga ny vidim-piainana eto amintsika, mbola hanonga hanonga hatrany izany amin’ny taona ho avy 2023 hitsidika io. Tsy maintsy hitranga manomboka ny volana janoary ho avy io ny hiakaran’ ny vidim-piainana.

Aoka koa tsy ho adino fa tao anatin’ny LFI: lalànan’ny tetibolam-panjakana amin’ny taona ho avy, izay mbola nahitsin’ny loholona farany teo, fa nakarina 15% ny vidin’ny solika, ny Jirama moa dia iny efa nandrangaranga ny hoe hampakatra ny vidin-jiro 15% isan-taona iny ihany koa. Ankoatr’ireo, tsy azo ihodivirana ny vokatra ilain’ ny mponina andavanandro. Ny vary izao eny an-tsena dia efa mananika ny 3000 Ar ny kg ny makalioka eny amin’ny tsena lehibe eto an-drenivohitra. Fefiky ny fahasahiranana tanteraka ny Malagasy.

Hatreto dia tsy misy ny hetsika mba hataon’izao fitondrana izao, fa dia ny fandrebirebena amin’ny ireo jiro maro loko, sy ny famonoana afo etsy sy eroa, no hany mba hitany atao. Lasa atao fitaovana eo am-pelatanan’ny antokon’ny fitondrana ireo sakafo sy kojakoja ilain’ny mponina andavanandro, nefa dia ny volam panjakana no nividianana ireny, mba ho haratonaina ho an’ny vahoaka.

Hodian-tsy hita ihany koa ve ny fijotsoan’ny sadambola dia ny Ariary izany, anaty haizina tanteraka ny toekarena, ka manindry hatrany mba samy hitsinjo ny ho avy hatrany, fa ho mafy sy ho henjana ny taona vaovao ho avy io.