COMTIM Alasora – Nizara vary milanja 7 taonina ho an’ireo mpikatroka TIM

Helisoa

Nizara fanomezana: vary milanja 7 taonina, ho an’ireo mpikatroka TIM ao amin’ny Kaominina Alasora distrikan’Antananarivo Avaradrano, miisa 3000 ny biraon’ny COMTIM Alasora, izay tarihan’ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa ny sabotsy teo, noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Krismasy.

Natao izao hetsika izao hoy ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa, fa tsy manadino azy ireo ny filoha Marc Ravalomanana, sy ny TIM Alasora. Hetsika efa fanaon’ny TIM Alasora ny mizara zavatra ho an’ny mpikatroka ao aminy toy izao, isaky ny vanim-potoanan’ny Asaramanitra. Naneho ny hafaliana, sy ny fahafahampony tamin’ny fanomezana, ireo mpikatroka TIM miisa 3000 nahazo izany.