Fetin’ny Krismasy – Nitondra am-bavaka ny Malagasy rehetra ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Fankalazana ny fetin’ny Noely na ny Krismasy ny alahady teo, teny amin’ny fiangonana FJKM Imerinkasinina Fanasina distrikan’Antananarivo Avaradrano, no niatrika izany ny filoha Marc Ravalomanana mianakavy. Nambarany tamin’izany fa: ”Mitondra am-bavaka ny Malagasy rehetra amin’ izao Noely izao. Arahabaina isika rehetra tratry ny Krismasy 2022”, hoy izy. Nandritra ny fotoam-pivavahana tany Imerinkasinina no nanambarany izany, niarahany nifaly tamin’ny mpino kristianina tany an-toerana, indrindra niara-nifaly tamin’ireo ankizy, amin’ny maha fetin’ny ankizy ihany koa ny andron’ny Noely toy izao.

Tsy ny fetin’ny Krismasy ihany, fa mbola nirary soa ny rehetra tsy ankanavaka koa izy, ho tratran’ny faran’ny taona, sy ny taom-baovao 2023 ho avy, amin’ny fiafaran’ity herinandro ity. Ho taom-pahombiazana ho an’ny rehetra izany taona vaovao izany. Mbola hisy rahateo ny hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy hataon’ny filoha Marc Ravalomanana, amin’ny fiafaran’ny taona hiandrasana ny taona vaovao hitsidika io.