Krismasy, krizy mafy, kivy sy mihafy

Beharo

Mpaka fako teny amin’ny Boriboritany faha-5 vitsivitsy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), no nilaza fa tsy hita izay fahasambarana tamin’ny Krismasy 2022. Miha-sahirana ny vahoaka. KRISMASY SA KRIZY MAFY SA KIVY SY MIHAFY?

Hita sy tsapa tao anatin’ny herinandro fanomanana ny fankalazana ny andro nahaterahan’ i Jesoa Kristy, fa samy manana ny fomba fijeriny sy ny toerany ary ny fomba ho entina mankalaza izany ny fianakaviana tsirairay raha ny tatitra azo. Ny krismasy izay tsy maty am-pon’ny rehetra dia ilay andro Noely, sarotra kosehina an-tantara sy ny kalandrie eran-tany, satria efa voaporofo ao amin’ny baiboly sy voarakitra an-kira finoana samihafa izany andro malaza izany.

Ho an’ny hafa izay sahirana ara-pivelomana dia KRIZY MAFY indray, satria tsy manana ny ampy ho entina mankalaza izany, tsy afaka mifaly sy ravo toy ireo mpanambola, sy ireo vao nasondrotra laharam-boninahitra amin’ny asa aman’andraikitra izay sahanina, fa dia KERE eny hatrany. Ny 4’mi moa, na ireo mpatory an-dàlambe sy eny akaikin’ny daba fanariam-pako dia nanambara mazava, fa tsy misy mampiavaka io daty 25 desambra io amin’ny andro hafa; fa dia ny omaly tsy miova hatrany, ka na te-hivavaka am-piangonana aza dia voatery mitady ny sitrany ahay foana, mba hitsinjovana ireo kilonga kely. Misy koa anefa ireo KIVY sy MIHAFY na ireo izay tsy nahazo ny anjara karama sahaza azy, ka voatery nigrevy mihitsy aza, voasakana amin’izay tian-katao, ka lasa manao fankalazana an-jambany, zara raha mahatsiahy ity andro fety ity, tsy mahita izay mety sy sahaza satria atsy ho atsy indray dia hiatrika ilay taom-baovao na ny taona 2023, izay efa malaza ratsy amin’ny fisondrotana, ny sehatra politika ary indrindra ny tandrevaka nisy efa-taona izao nataon’ny ftiondrana Rajoelina.

Tsorina araka izany fa marobe ireo tsy nahazo fahafaham-po tamin’ny fotoam-pankalazana ny Krismasy, tsy an’asa ny ankamaroan’ny olona, ka tena “KIRINA, MIGAFY”: lasa mifoka sy migoka eny rehetra eny, ary lasa mpandroba sy mpanolana amin’ny tsy rariny ny sasany. Fehiny, mikorosy fahana ny fiainantsika Malagasy.