EDITO 27 Desambra – Vavaka andro Krismasy – Tsy nanao ambanin-javatra izany ny kristiana maro

Beharo

Marobe ny kristiana nivavaka ao anatin’izao andro sarotra izao. Hita sy tsapa tamin’ireo fiangonana kristiana ny alahady krismasy lasa teo, fa be ireo tsy nanao ambanin-javatra ny fotoam-pankalazana ny andro Krismasy, nefa misy ireo antokom-pinoana zandriny mitsikera ny datin’andro 25 desambra ka manohitra izany, manome tsiny io daty malaza io, toy ny ataon’ny finoana Yahoshuah ohatra. Tsorina anefa fa ny Soratra Masina miasa sy manan-daza, manankery, dia ireo izay fampiasan’ny vahoaka mpino kristiana, nefa dia ovaovain’io finoana hafa io ny anarana masina ao anatiny, ka mahatonga ireo mpino maro hilaza fa tokony hanana ny baiboliny sy ny fihiranany mazava ohatra ny finoana Yahoshuah, fa tsy ny an’ny finoana hafa na ny Ffkm hatrany no ovaovaina.

Tsy tokony hisy ny toriteny fanaratsiana, ny esoeso teny fa mba haneho fifanajana araka ny lalàna mifehy ny antokom-pinoana, rehefa hitory teny sy maka andian-dahatsoratra ao anatiny. Tsorina fa feno hipoka ny tempoly sy eglizy samihafa ny alahady teo, ary ny tolakandro dia mbola marobe ireo kristiana nanatrika antsa an-kira, nifamome tanana sy nifanampy tamin’ny fotoam-pankalazana ny Krismasy 2022, daty sarotra adinoina ho an ‘ny mpino tsy ankanavaka. Hipoka ny fiangonana, tsentsina ny arabe manodidina toy ny teny amin’ny Cinema REX, sy RITZ teo aloha, Ny Ekar samihafa, ny Fjkm Ilanivato, Analamahitsy, Isotry Fitiavana sy ny sisa tsy voatanisa. Araka ny vaovao voaray, hipoka toy izany koa ny fiangonana rehetra tany amin’ny faritra samihafa eto amin’ny Nosy.

Dia mirary soa ny rehetra ho tratra ny taom-baovao indray ny gazetinao Ny Valosoa Vaovao.