Raharaha Andry Biahary – Tsy rariny ny namonjana azy, nivoaka ny didim-pitsarana

Stefa

Nivoaka afak’omaly efa hariva, ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha momba ilay mpandrahahara mpisintona lakolosy, avy any Toliara faritra Atsimo Andrefana ary nofonjaina tany amin’ny fonjan’Ankazondrano any Fianarantsoa faritra Matsiatra Ambony.

Toy izao ireo didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Fianarantsoa: sazy mihantona 18 volana no azony mahakasika ny fitoriana azy ho nitarika fanongam-panjakana. Faharoa: sazy mihantona 06 volana mahakasika ny resaka famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana. Fahatelo: afaka madiodio kosa izy tamin’ny fiampangana azy, fa nanala baraka tamin’ny radio sy televiziona ary tamin’ny tambazotran-tserasera facebook.

Nilaza ny mpisolovava an’i Andry Biahary, fa tsy nahafapo ny didy ary mbola nampiakatra fitsarana ambony izy ireo. Arak’izany, afaka mivoaka ny fonja i Andry Biahary, mitatao eo amboniny kosa anefa ireo sazy mihantona. Na teo aza izao fanafahana azy izao, nilaza ny Zanak’i Toliara eto an-toerana sy any ivelany, fa tsy rariny izao namonjana ity mpandraharaha mpisintona lakolosy ity izao, satria nosamborina tamin’ny andro alina izy, tamin’ny nisamborana azy dia tsy fantatra ny “motif d’arrestation” na ny antony nisamborana azy. Tsy ara-dalàna ny fitondrana azy ivelan’i Toliara na eto Madagasikara ihany aza. Tsy nahazo “droit à l’avocat”, na zo nahazo mpisolovava izy. Tsy afaka namangy azy ny fianakaviany. Nosakanana ny fianakaviana izay saika nanaraka azy tany Fianarantsoa. Mbola tsy notsaraina taorian’ny “mandat de dépôt” 48 ora araka ny voalazan’ny lalàna, efa nihoatra ny roa andro vao voatsara izy.