“Ao anatin’ny haizina no mipoitra ny kintana” – Boky mitantara ny fahombiazan’ny Profesora Jonah Ratsimbazafy

Isambilo

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro teo, teny Andohatapenaka, ny boky vaovao vao navoakan’ny Profesora Jonah Ratsimbazafy mitantara ny fiainany sy ny lalana nizorany hatramin’izao fotoana. Mitantara ny fahombiazany eo amin’ny fiainana. “C’est dans l’obscurité que les étoiles scintillent”, na “Ao anatin’ny haizina no mipoitra ny kintana”, no lohatenin’izany boky izany, izay ahitana 200 pejy mahery.

Nambaran’i Pr Jonah Ratsimbazafy nandritra izany, fa mitantara ny fiainany vao teraka ity boky ity, izy mpikaroka sy mpampianatra, ny maha-kristiana azy ary amin’ny maha-mpiaro ny tontolo iainana azy. Ny tanjona hoy izy dia mba ho vakian’ny tanora amin’izao fotoana izany boky izany. “Ao anatin’ny haizina no mipoitra ny kintana”, mitantara ny lalan-tsarotra nodiavin’ny ray aman-dreniny koa, ka nahatafita azy mianadahy avy. Ao anatin’izany koa no anehoany ireo olona 5 nataony ho modely eo amin’ny sehatry ny fikarohana dia Pr Raoelina Andriambolona, Pr Berthe Rakotosamimanana izay efa nodimandry, Dr Patricia Wright, Dr Michel Witel Meier ary Pr Gervais Rakotofamantanantsoa izay efa nodimandry.

Hita ao koa ny momba ny fahaiza-mitarika ananany, na leadership. Nisedra olana fony kely satria misy kilema ny tanany ankavia, nahatonga azy ho tratra aoriana vao niditra nianatra. Voatantara ao koa izy nianatra tany Etazonia, ny fifandraisany amin’ireo filoha nifandimby nitondra teto amintsika: ny tany aloha, sy ny amin’izao fotoana. Ny antony namoahana izao boky izao koa hoy ity mpampianatra mpikaroka ity dia mba ho maty hamela mamy ny tenako any aoriana, na “mourir le sourire aux lèvres”.

Amin’ny fiteny Frantsay ny boky navoakany, fa hadika amin’ny fiteny Malagasy sy amin’ny fiteny Anglisy izany ato ho ato, havoaka amin’ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana koa. Hita ao amin’ity boky ity ihany koa hoy Pr Jonah, ireo karazana boky momba ny fikarohana efa navoakany miisa 260 mahery. Izany boky izany dia amidy ao amin’ny Librairie Antso Analakely, ao amin’ny Art Galery Antanimora ary ao amin’ny biraon’ny GERP Antsakaviro.