Fandikan-dalàn’ny fitondrana Rajoelina – Tsinontsinoaviny sy tsy omen’ny HCC hasina ny HCDDED

Isambilo

Namoaka ny fanambarany, na avis ny HCC omaly, mahakasika ny fangatahan’ny filohan’ny HCDDED, filankevitra ambony ho fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna, ny hilazan’ny HCC, na ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, ny nanafoanana ny fitsipaham-pitokisana tao amin’ny Antenimierampirenena, sy ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana ataon’ny filoha Rajoelina, nihaona mivantana tamin’ireo depiote. Toy izao izany fanambarana nataon’ny etsy Ambohidahy izany:

”Avis n°01-HCC/AV du 21 décembre 2022 Relative à une demande du Président du Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit.

Le Président du Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit ne pouvant être qualifié ni de Chef d’Institution ni d’organe de Collectivités Territoriales Décentralisées, n’a pas qualité pour prendre l’avis de la Cour de céans pour quelque objet que ce soit.”

Midika fa tsy filohana andrim-panjakana hono ny filohan’ny HCDDED, sady tsy rafitra momba ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana koa. Tamin’ity fanambaran’ny HCC ny heviny ity koa dia voalaza, fa tsy azo raisina ny fangataham-panazavana nataon’ny filohan’ny HCDDED Navony Pierre Lenoble. Tonga amin’ilay hoe : ”azo raisina fa tsy mitombina koa izany ireo raharaha nalefa teny Ambohidahy. ”

Momba ity raharaha ity, foano rehefa tsy ilaina sy tsy homena hasina ny HCDDED. Koseho ny andininy faha-43 ao amin’ny lalampanorenana sy ny lalàna 2015-001. Arak’izany, tsapa fa miaro mafy ny filoha Rajoelina ny HCC, na dia efa hita fa manitsakitsaka ny lalampanorenana aza tamin’ilay fitsabahana andraikitra tao Tsimbazaza, sy ny namoriana depiote teny amin’ny Arena.