Fitondrana Rajoelina – Fomba ratsiny ny manakona ny zava-misy marina iainam-bahoaka

Sôh’son

Rehefa mandre ny teny ambaran’i Andry Rajoelina ataony any ivelany any, dia toy ny hoe mandroso haingana dia haingana tsy misy toa azy i Madagasikara, ary milamina ny vahoaka malagasy manana filoha mahay mitondra firenena. Niaraha-nandre, ohatra, ny faramparany teo tamin’ireo mpianatra tany Amerika tany. Teny tsara lahatra sy fampandriana adrisa re izao. Mazava loatra, fa raha tsy maharaka ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka malagasy eto Madagasikara izy ireny, ary mihinana amam-bolony fotsiny, dia ho voafitaka tanteraka. Mila fantatr’izy ireo any ivelany any, fa ilay Malagasy aty an-tanindrazany anie ka faraidiny mahantra indrindra raha samy vahoaka maneran-tany. Mila fantany ihany koa, fa olom-bitsy teratany malagasy sy karana indrindra indrindra, no mitavana ny harena eto amin’ity firenena ity sy migalabona amin’ny fiadanam-be. Ny fisehosehon’ ireo mpanefoefo ireo amin’ny fitaovan-tserasera samihafa sy amin’ny sehatra samihafa no indraindray ilazana ny fandrosoan’i Madagasikara sy hanakonana ny tena zava-misy marina amin’ny fahantrana eto amin’ny firenena.

Ankehitriny izao efa niakatra indray, ho 85% ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara araka ireo mpahay toekarena malagasy mivondrona ao anaty fikambanana iray. Miha-miharihary mazava tsy takon’afenina izay fahantran’ny vahoaka malagasy izay miditra amin’izao ankatoky ny fety Krismasy sy faran’ny taona izao. Manao izay azony atao ny rehetra amin’ny fitadiavana na ny mpangataka izay mitombo isa hatrany andro aman’alina, ny mpitsoka mozika sy sodina ary mively amponga izay nirongatra ny fitombony tato anatin’ny andro vitsivitsy lasa izay, sy niditra amin’izao volana desambra izao, hatramin’ny zaza sy ankizy sy azo ampiasain’ny ray aman-dreniny na mangataka na mihirahira eny an-dalambe sy tohatohabato rehetra eny, sns… raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Tondrorefy mazava tsara ireo mampiharihary ny fitotongan’ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy sy fihanaky ny fahantrana lalina eto Madagasikara. Ny eto an-drenivohitra ihany aza izay voalaza izay, fa eo ihany koa ny any amin’ny faritra samihafa toy ny any atsimo sy atsimo atsinanana ary ny atsimo andrefana, izay anjakan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ary amoizana ain’olona mihitsy aza, misy ny mpiray tanindrazana izay mihinana ny tsy fihinana mihitsy ihany koa mba ho velona, izany hoe efa miady aman’aina ny zava-misy manjo azy ireo. Dia mbola sahy ihany i Andry Rajoelina mandray amboara amin’ny fanjarian-tsakafo, toy ny mandatsa ireo mpiray tanindrazana any amin’ny faritra miady mafy andro aman’alina, mitady izay harapaka hitazonan’aina sisa izany.

Raha mbola mitohy ihany izao fomba ratsy fanaovana fanambarana amin’ny zava-tsy mifanaraka amin’ny zava-misy marina eto amin’ity firenena ity, izay zary miendrika famitaham-bahoaka, famitahana ny malagasy any ivelany any, sns… dia mazava loatra, fa tsy hisy zavatra hiova, tsy hisy fandrosoana, tsy hisy fihatsaram-piainan’ny vahoaka malagasy maro an’isa izany eto, raha mbola izao fitondrana izao ihany no mitondra ny firenena.