EDITO 22 Desambra – Olona iray tsy haha-voaongana fanjakana

Helisoa

Ao anaty geja tsy afaka maneho hevitra ny Malagasy ankehitriny. Ireo izay miseho miteniteny, avy hatrany dia fonja no miandry azy. Lazaina mihitsy fa manohintohina ny fiandrianam-pirenena sy mitady hanongam-panjakàna. Vao omaly ny omaly no niharan’izany ny mpampaneno lakolosy Andry Biahary, izay nahazo sazy mihantona 2 taona, nolazaina fa nitarika olona hanongam-panjakàna sy famoriambahoaka tsy nahazoana alalana. Dia gaga ny maro satria hanongam-panjakàna izany ve dia sazy mihantona no miandry azy, sady olona iray ve hahaongana fanjakana?

Dia vakiana fotsiny araka ny fitenin’ny tanora, fa tampenana ny vavan’i Andry Biahary, ary tsy afaka mihetsika intsony na misy aza zavatra hitany, fa tsy rariny miseho eto amin’ny firenena, indrindra ny any Toliara. Toy izany avokoa ny mahazo ireo rehetra izay atahoran’ny fanjakana migadra any Antanimora sy Tsiafahy ankehitriny: Rolly Mercia, Berija, Mahery Lanto Manandafy, raha tsy hiteny afa-tsy ireo fotsiny.

Ity fitondràna ity dia mihevitra ny Malagasy ho vendrana satria milaza ny filoha Andry Rajoelina tany Etazonia, fa misy ny demokrasia eto Madagasikara, afaka maneho hevitra, miady amin’ny kolikoly, sns… Nefa raha vao mihetsika ny vahoaka dia avy hatrany dia mampiasa hery avy amin’ny alalan’ireo lazaina, fa mpitandro filaminana nefa mpamoritra vahoaka.

Manoloana izany indrindra dia mitady ny fomba hanehoany hevitra ireo izay afaka manao izany amin’ny fotoana tsy ampoizina. Toy izany ny nahazo ny kôrtezin’ny filoha Rajoelina izay tratry ny horakoraka teny Analakely, mbola tsy nisy angamba tao anatin’ny 60 taona. Mba tonga saina ve Andry Rajoelina mahita ireny zavatra ireny? maninona raha tena filoha ianao dia mba nidina nihaino ny fitarainan’ny olona, fa tsy vao mainka nandeha faran’izay mafy? Zavatra toy ireny ve no nitsenana ny Champion?