MIHETSIKA NY GASY LEO

Mihamitombo hatrany hatrany ireo mijoro ho gasy leo,
Mikendry hanambatra ny heriny ary dia mampiaka-peo.
Manaitra ireo matoritory mba hihetsika, hifoha,
Fa mila ovàna ny mpitondra, indrindra indrindra ny filoha!

Fambara maro no mitranga, mihamafy ny tsikera.
Anisany ny zava-nisy tao anaty antenimiera.
Fitsipaham-pitokisana efa an-dalam-pandaniana,
No nitsefotra indray ka nahagaga, nahavariana!

Misy tombontsoa voakitika, misy seza mihozongozona,
Ka mandeha ny tsindritsindry sy fanaovan-taingim-bozona.
Indro idiran’ny filoha ireo tsy tokony hotsabahiny,
Ka manjary manapentina ny laza sy ny voninahiny!

Efa mba natokana izy ho amin’ny toerana eny ambony:
Mba ho rain’ny Malagasy fa tsy an’antoko intsony.
Efa izay no nametrahana, efa izay no iavahany,
Kanjo idirany ny antoko, dia mitohy ny fitsabahany!

Tsisy zavatra manjary ny ao anaty fitantanana.
Mainka ho tena loza izany mialoha ny fifidianana.
‘Zao dia efa mifanditra ny ao anaty fitondrana.
Lasa ny mpanatanteraka no mitady hanao lalàna!

Ny fiainam-pirenena zary toa misavoritaka.
Ny mpitondra tsy mitsahatra ny mandainga sy mamitaka.
Asa iretsy “gasy leo” raha hahavita hampiray,
Ka hampiteny hoe “ry filoha, mialà ianao fa ampy izay!”

DADAN’i RIANA (11-12-2022)