Rodoben’ny mpanohitra RMDM – Tsy ahomby ireo mitetika hampizara ny mpanohitra

Helisoa

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tao Bel’Air Ampandrana omaly alatsinainy 19 desambra ny rodoben’ny mpanohitra RMDM. Lohahevitra miisa 3 no novoaboasana tamin’izany, teo ny jery todika nandritra ny taona 2022, sy ny fanazavan-kevitra mikasika ny RMDM ary antso ho an’ireo olompirenena sy ireo manana andraikitra eto amin’ny firenena.

Novelabelarin’ny mpikambana ao amin’ny birao politika nasionalin’ny antoko HVM, ny senatera teo aloha Jafetra, fa ao anatin’ny RMDM tanteraka ny HVM ary isan’ny namolavola azy tany ampiadohana. Ao anatin’ny antoko mpanohitra, ary miaraka amin’ny mpanohitra. Noho izany, tsy hitoraka voninkazo ny mpitondra mihintsy izahay HVM hoy izy. Hamafisinay etoana hoy ny senatera Jafetra, fa tsy mitady fiaraha-mitantana ny HVM, ary tsy mitaky governemanta hiarahana mitantana. Misy ny vaovao miely ankehitriny hoe misy ny fifanarahana eo amin’ireo filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy Marc Ravalomanana. Ny fifampiresahana misy foana eo amin’izy mirahalahy, fa ny fifanarahana miafina kosa dia hamafisinay fa tsy misy izany, hoy izy.

Io teny ataon’ny sasany io dia fomba fiadin’ny kanosa izany, koa teneninay ianareo kanosa ireo amin’izao izay matahotra ny fiarahan’ny fanoherana, ka mampita izany any amin’ny tambazotran-tserasera, hatreto aloha tsy misy ny fifanarahana fa ny ny tanjona izao dia ny tsy fanekena izao fitondràna izao.

Jery todika

Nisy ny jery todika ny zavatra vitan’ny RMDM ny taona 2022, izay nambaran’ny filoha lefitry ny HVM, ny Pasitera Edouard Tsarahame nandritra ny valandresaka natao ho an’ny mpanao gazety. Ny taona 2022 dia nahafahan’ny RMDM nanamafy, sy nametraka ireo rafitra tany amin’ny faritra maromaro manerana an’i Madagasikara. Amin’ny maha fivondronan’ny antoko politika samihafa ny RMDM dia afaka mandrindra tsara ireo fiaraha-miasa, izay mifototra amin’ny tanjona iraisana dia ny fanoherana izao fitondràna mitondra ny firenena any ankady, ka mampahantra ny vahoaka Malagasy izao ny RMDM. Na dia teo aza ny sakantsakana sy ramatahora nataon’ny mpitondra dia mbola mafy sy matanjaka ny fiaraha-miasan’ny RMDM.

Laharam-pahamehana ho an’ny RMDM araka ny fanambaràna ihany ny fanomanana ny fifidianana amin’ny taona 2023 ; ary mandray anjara amin’izany ny RMDM. Ohatra amin’izany ny fanatrehana ireo fivoriana niarahana tamin’ny SADC, ny Vondrona Afrikana, ny CENI. Hamafisinay hatrany hoy Pasitera Edourd, fa 5 taona ihany no fe-potoana itondràn’ny filohampirenena, ka tsy maintsy hatao ny fifidianana amin’ny taona 2023, fa tsy hikononkonona hanao tetezamita eo indray ny mpitondra.

Mikasika ny vaovao miely ankehitriny amin’ny fifanarahana eo amin’ireo filoha teo aloha dia mazava, fa ny filohan’ny RMDM dia tsy nanao sonia na nifampidinika manokana izany, satria mbola tsy niala teto Madagasikara izy hatramin’izao. Ny fanapahan-kevitra izay nataony hatramin’izay hoy Pasitera Edouard dia entiny eto aminay, ka hamafisinay fa tsy mbola nisy fifanarahana izany aloha. Hamafisina hatrany koa fa misy ny firaisankina eo amin’ny RMDM, ka ireo izay mitetika ny hampizarazara ny mpanohitra dia tsy ahomby izany. Ny tanjona hiraisana aloha amin’izao dia ny fanoherana ity fitondràna, izay mampijaly sy manao izay hampahantra ny Malagasy, ka tsy ekenay mihintsy hoy hatrany ity filoha lefitry ny RMDM ity.

Mavaivay

Manoloana ny raharaham-pirenena mavaivay amin’izao fotoana dia nisy ny antso nataon’ny RMDM, indrindra amin’izao fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Miantso ny mpitondra fanjakàna izy ireo, mba hampitsahatra ny fisamborana olona tsy mitovy hevitra amin’ny fanjakàna. Miantso izahay ny hamoahana ireo gadra politika rehetra. Miantso ny FFKM mba hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena, hamahàna ny olana eto amin’ny firenena. Miantso ny mpiara-miombon’antoka rehetra avy any ivelany, mba hijery ny fomba fitantanana ny firenena eto Madagasikara. Ary farany, miantso ny herivelona rehetra, mba hifanome tanana amin’ny fanavotana ity firenena malalantsika ity, izay tena latsaka an-katerena ankehitriny.