Rajoelina tany Etazonia – Nandainga indray fa tsy tafiditra amin’ny MCC izany isika

Ny Valosoa

Araka ny vaovao voaray, nandainga indray ny filoha Rajoelina avy any Etazonia, tsy anisan’ireo firenena Afrikana tafiditra hisitraka ny MCC, na Millenium Challenge Corporation, fiaraha-miasa amin’ny Amerikana i Madagasikara. Ny firenena hahazo izany MCC izany dia i Gambia, Togo, Senegal ary Mauritania. Arak’izany, tsy misy Madagasikara hahazo tetikasa hiarahana amin’izy ireo.

Fa mahakasika izay fiaraha-miasan’ny Amerikana amin’i Afrika izay, nihaona tamina filoham-pirenena afrikanina 6 ny Filoha Biden hampanjakana ny fifidianana malalaka sy madio ary mangarahara. Ny Filoha Biden dia nihaona tamin’ny Filoham-pirenen’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) Felix Tshisekedi, ny Filoham-pirenen’i Gabon Ali Bongo Ondimba, ny Filoham-pirenen’i Liberia George Manneh Weah, ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina sy ny filoham-pirena Nizeriana Muhammadu Buhari ary ny Filoham-pirenen’i Sierra Leone ny herinandro lasa teo. Niresaka momba ny fifidianana hatrehin’ireo firenena ireo amin’ny taona 2023 ny Filoha Biden, amin’izao fotoana manan-danja ho an’ny demokrasia maneran-tany izao. Niresaka momba ny fifidianana manasaka fe-potoam-pitondrana farany teo ihany koa ny Filoha Biden ary nanambara, fa nohamafisin’izany dingana izany ny tanjaky ny fahaiza-miatriky ny demokrasia amerikana. Nohamafisiny ihany koa ny fahavononan’ny Fitondrana Biden-Harris hiara-hiasa hanavaozana sy hiarovana ny demokrasia eto an-toerana sy any ivelany. Na dia tsy ampy hamaritana ny demokrasia aza ny fifidianana fotsiny, dia nanantitrantitra ny Filoha Biden, fa tena ilaina ny fanaovana fifidianana amin’ny fampandehanana ny demokrasia.

Niara-nidinika ny fanamby amin’ny fanatanterahana fifidianana sy ny fampiasana ny zo hifidy ireo filoham-pirenena ireo, anisan’izany ny fitsabahan’ny vahiny sy ny herisetra ara-politika. Nifanakalo izao fomba fanao nahomby, amin’ny fitantanana ireo ambana ireo sy hiantohana fifidianana azo antoka sy mangarahara ary atokisan’ny vahoaka ihany koa ireo filoha. Nohamafisin’ireo mpandray anjara ny fahavononan’izy ireo hikarakara fifidianana malalaka sy marina ary mangarahara, tanterahan’ny rafi-pifidianana nasionaly mahefa sy mahaleo tena ary tsy mitanila, araka ny voalazan’ny sata afrikana momba ny demokrasia sy ny fifidianana ary ny fahaiza-mitantana.

Manan-danja ny fifidianana hatao aty Afrika amin’ny taona 2023. Na dia tsy manohana kandidà na antoko manokana aza i Etazonia, dia manamafy ny fanohanany ny zotram-pifidianana hanamafisana ny demokrasia aty Afrika. I Etazonia dia miara-miasa amin’ny Kongresy ary mikasa hanome 165 tapitrisa dolara mahery, hanohanana ny fifidianana sy ny fitondrana tsara tantana aty Afrika amin’ny taona 2023.