Raharaha Andry Biahary – Henjana ny tady eo amin’ny zanak’i Toliara sy ny fitondrana

Stefa

Henjana ny tady amin’izao fotoana eo amin’ny Zanak’i Toliara sy ny fitondrana, mahakasika ny nisamborana an’i Andry Biahary, mpandraharaha ara-toekarena any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny, nisy nisambotra ny faran’ny herinandro teo. Noho izay antony izay, nanome 48 ora ho an’ny mpitondra ao Toliara ireo Ray aman-dreny avy amin’ny foko Tanalana sy Mpitankazomanga, mba hamerenana an’ity Andriamatoa Andry Biahary ity any Toliara.

Nosamborin’ny zandary ny alakamisy alina lasa teo izy, izay mpaneho hevitra sy mpisintona lakolosy amin’ny facebook ary tsy misalasala milaza ny tsy mety, sy ny tsy rariny mitranga eo anivon’ny fiarahamonina. Nandeha ny resaka taorian’ny fisamborana azy, fa nentina tamin’ny fiara nizotra tamin’ny lalam-pirenena faha-7 (RN7), niala tao Toliara izy, saingy tsy fantatra mazava hoe nentina aiza marina?

Araka ny vaovao voaray farany dia voalaza fa nentina tany amin’ny fonjan’Ankazondrano Fianarantsoa, faritra Matsiatra Ambony ity mpisintona lakolosy ity. Tapitra omaly ny 48 ora nomen’ireo ray aman-dreny any amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, mafampana ny toe-draharaha amin’izao fotoana. Harahantsika eto ihany ny mety ho tohiny.