Angôvo – Fitaka atao ny mpanjifa misy ao amin’ny orinasa Jirama

Beharo

Misy amin’izao fotoana ny karazana endrika fitaka atao amin’ny mpanjifa ihany koa ao anivon’ny orinasa Jirama. Olona maro mampiditra rano, efa vita “devis” ara-dalàna, efa voaloa vola daholo ny fitaovana nefa hasaina mividy ireo fitaovana any amin’ny quincaillerie, na mpivarotra fitaovana momba ny rano sy jiro hafa indray, fa mbola tsy misy hono ao Mandroseza dia soloiny ireo vidin’entana, hampifanesorana amin’ny faktiora isambolana (à deduire) nefa lainga izany. FENO FITAKA AO AMIN’NY JIRAMA AO.

Hatramin’izay dia efa tsy rariny hatrany no nataon’ny JIRAMA ny mpanjifany, na teo amin’ny resaka rano izany na ny jiro. Rehefa ry zareo no manapaka dia tsy misy na inona na inona azo atao mihitsy eny amin’ny fiaraha-monina sendra izany. Ny rianaratra moa dia efa tsy maty am-bava ny hoe: delestazy, tapaka elabe ao anaty ora fiasana ary dia manimba fitaovana maro mihitsy. Ny rano koa dia mila vonjena vao maraina be hatrany, na amin’ny alina, mila manangona satria ny tolakandro indray vao miverina, na amin’ny alina, nefa zara raha misy. Marihina fa rehefa hanapaka kaontera ry zareo: vola tsy voaloa na tara fandoavana, dia samy mahatsapa ny tsirairay, fa tokony ankinina aminy ihany ny fitetezana isan-tokantrano mandray ny marika amin’ny kaontera na ny sanda lany, satria sady efa mba fanairana no miaro ireo mpanjifa amin’ny fahatarana indraindray. Izany hoe: tsara ireo mpitety trano toy ny taloha, manao fanamiana miavaka mba miara-mandray izay isa marina sy voaporofon’ny roa tonta eo, ka izy ireo ihany no manatitra ny faktiora tokony ho efain’ny mpanjifa amin’izany, izay mba vita fiomanana sy fanairana tany aloha.

Tato ho ato dia maro no milaza fa voafitaka rehefa hampiditra jiro na rano, efa vita tanteraka ny taratasy rehetra na ny devis izany, ny resaka rano no tena loza, satria efa miandry vita ny mpangataka dia asian-dry zareo mividy na manolo ireo fitaovana sarotra hita eny Mandroseza, ka averina tsikelikely amin’ny vidin-drano lany isam-bolana hono io vola nanoloana fitaovana io, nefa rehefa ela ny ela dia tsy misy taratasy fampilazana fa mbola ao na tsia io vola io, ny hofana kaontera moa sy hetra madinika dia takiana tsy an-kiato, ianao efa mivezivezy eny Mandroseza nefa dia tapahina ny rano satria nitambatra tao ireo lany 4 taona hoy ny sendra anay. Voatery mandoa 3 tapitrisa Ar mahery vao miverina indray ilay rano kely manara-penitra tapatapaka tsy rariny iny.

Mikasika ity orinasa, hita sy tsapa amin’izao fa misy ny kolikoly sy fahalovana manomboka avy any an-tampony, ka hatrany ambany. Ary mbola misy hatramin’izao izany, fa tsy tamin’ny teo aloha ihany. Io fahalovana hatrany ambony io dia tsy ao amin’ity orinasa ity ihany, fa hatramin’ny mpitondra faratampony eto amintsika no ahatarafan’ny maro izany ny fisiany.