Mondial eo amin’ny baolina kitra – Any Etazonia sy Kanada ary Meksika indray amin’ny taona 2026

Tapitra tamin’ny alahady 18 desambra 2022 ny andiany faha-22 amin’ny fifaninanana baolina kitra « FIFA World Cup Qatar 2022 », ka tafavoaka ho tompondakan’ny baolina kitra lehilahy vaovao ny ekipan’i Argentine noatarihan’i Lionel Messi. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3(4) – 3 (2) taorianan’ny « Tirs au but » ny ekipan’i France tompondaka farany teo amin’ny lalao famaranana, notontosaina tao amin’ny kianja « Stade Lusail Iconic » any Doha Qatar.

Fety be tsy nisy toa azy ny an’ny vahoaka Argentin hatrany Qatar ka hatrany Buanos Aires renivohitr’i Argentine. Sambany teo amin’ny niangaliana baolina kitra i Messi, no nibata an’ity amboara lehibe eran-tany ity na dia efa im-pito aza izy no nisalotra ny anaram-boninahitra « ballon d’or ». Nosaloran’ny « émir du Qatar, Tamim Ben Hamad Al-Thani » ny « Bisht » na « manteau traditionnel Arabe» i Lionel Messi talohan’ny nibatany ny am-boara.

Any Canada sy Mexique ary États-Unis mitambatra indray, ny fotoanan’ny rehetra amin’ny andiany faha-23 ho tontosaina amin’ny taona 2026, ka handraisan’ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra maneran-tany miisa 48 anjara fa tsy 32 toy ny tamin’ny farany teo, no hiatrika ny dingan’ny famaranana.

Vokatra farany teo amin’ny “Mondial Qatar 2022” : Tompondaka : Argentine, Tompon-daka lefitra : France, Laharana faha-3 : Croatie nandresy an’i Maroc 2-1 teo amin’ny fiadian-toerana, Laharana faha-4 : Maroc « Meilleur joueur de la comptétition » : Lionel Messi (Agentine), « Meilleur gardien de but » : Emiliano Martinez (Agentine), « Meilleur jeune Joueur de la compétition » : Enzo Fernandez (Agentine), Meilleur buteur du Mondial 2022 : Kylian Mbappé (8 buts).