Kaominina Ambinanifaho Antalaha – Manampatra fahefana amin’ny « taxe de roulage »

Niaina

Manampatra fahefana amin’ny « taxe de roulage » ny kaominina Ambinanifaho distrikan’Antalaha faritra Sava, hoy ny avy amin’ny antoko TIM any an-toerana. Misy ny fanambarana nataon’izy ireo mahakasika izany.

« Amin’alahelo lehibe no ilazanay aminareo mpikambana rehetra amin’ny Tiako i Madagasikara, indrindra isika ato amin’ny faritra Sava, fa namoy mpiara-mitolona isika dia i Soa Nosy fantatra amin’ny anarana hoe: maman’i Nana, izay mpitambolan’ny Comtim Ambinanifaho, ny alakamisy lasa iny.

Nampalahelo ny zava-nitranga, satria tsy afaka nanotrona ny mpikambana maro avy taty Antalaha noho ny lalàna napetraky ny Commune Ambinanifaho. Tamin’ny 4km tsy hiditra ny tanàna dia nisy barrage mitaky taxe de roulage, mandoa 10000 Ar ny fiara vao afaka mandika. Nanao ny fifampiraharahana izahay satria fahoriana no haleha ary eran’i Madagasikara ny gasy rehetra dia miondrika manaja ny razana fa ny Commune Ambinanifaho, izay tarihin’ Andriamatoa Dony dia tsy mijery ny maha olona, ny fahoriana toy izany.

Araka ny fifampiresana an-telefôna nifanaovana raha iny angataka ny hamohana barrage izahay. Novaliany hoe tsy toejavatra toy izany no tsy andoavam-bola fa rehefa misy la roue mihodina dia tsy maintsy mandoa vola, ka tsy maintsy mandoa vola ianareo. Nalahelo izahay, tsy afaka namonjy ny fatin’ny namanay. Mipetraka aminay hatramin’izao ny fanontaniana manao hoe: mbola misy taxe de roulage ve eto Madagasikara? Faharoa mbola mahazo contrôle de légalité ve ny toy izany? ny tena mahatsikaiky dia zaza tsy ampy taona no miandry io barrage io.

Izany no zava-misy ety aminay miangavy ny mpitondra ambony hijery ny momba izany ary araka ny resaka heno dia fony ny Minisitry ny intérieur mbola governora an’i Sava, no nametraka azy tao ka asa baiko avy amin’ny ministra ve izany?”